Mayotte: Tovovavy Malagasy Maty novonoina – Voasambotra Ny Ahiahiana

195 0

Mayotte, 9 Aogositra 2025 — Tsy nisy tsy nihorohoro ireo Malagasy mila ravin’ahitra sy monina aty ami’ny Nosy  Mayotte ny nahitana ny razan’i Armella, tovovavy malagasy 19 taona, teo amin’ny tora-pasika Mliha Chanfi ny 2 Aogositra lasa teo.

Nandritra ny herinandro taorian’izay dia nihetsika tamim-pahavitrihana ny teratany malagasy any an-toerana, nanao antso avo tamin’ny manampahefana mba hanao izay hahitana sy hisamborana haingana ny mpanao ratsy.

Ny 9 Aogositra, polisy Mahorais no nanamafy fa voasambotra ny lehilahy iray manodidina ny 30 taona, ahiahiana ho tompon’antoka tamin’ity heloka bevava nahatsiravina ity. Mitohy ny famotorana mba hanazavana ny antony sy ny fandehan’ny tranga.

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

TOBY KRISTY MANAFAKA IBORA | MPIOMANA 71 MIANADAHY NO VOATOKANA HO MPIANDRY TAMIN’NY TAONA ITY.

Posted by - août 14, 2024 0
𝐁𝐄𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐄𝐃𝐑𝐀𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐁𝐘 𝐊𝐑𝐈𝐒𝐓𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐅𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐁𝐎𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐌𝐄𝐙𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐈𝐑𝐀𝐘. 𝐌𝐏𝐈𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀 𝟕𝟏 𝐌𝐈𝐀𝐍𝐀𝐃𝐀𝐇𝐘 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎…