Mayotte: Tovovavy Malagasy Maty novonoina – Voasambotra Ny Ahiahiana

158 0

Mayotte, 9 Aogositra 2025 — Tsy nisy tsy nihorohoro ireo Malagasy mila ravin’ahitra sy monina aty ami’ny Nosy  Mayotte ny nahitana ny razan’i Armella, tovovavy malagasy 19 taona, teo amin’ny tora-pasika Mliha Chanfi ny 2 Aogositra lasa teo.

Nandritra ny herinandro taorian’izay dia nihetsika tamim-pahavitrihana ny teratany malagasy any an-toerana, nanao antso avo tamin’ny manampahefana mba hanao izay hahitana sy hisamborana haingana ny mpanao ratsy.

Ny 9 Aogositra, polisy Mahorais no nanamafy fa voasambotra ny lehilahy iray manodidina ny 30 taona, ahiahiana ho tompon’antoka tamin’ity heloka bevava nahatsiravina ity. Mitohy ny famotorana mba hanazavana ny antony sy ny fandehan’ny tranga.

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

SAKARAHA SALAMA

Posted by - octobre 3, 2024 0
Niainga avy eto Sakaraha ny sidina voalohany amin’ny Drone nampitondraina Fanafody fanefitra (Vaccin), hoan’ireo CSB II any amin’ireo Kominina ato…