Tsy nisy anarana na taratasy manamarina io sambo io, fa hita fa mitondra laharana PPC 5820-OL-12.
Teratany maorisianina telo no tao anatiny. Nilaza izy ireo fa nanaovana fitsapana an-dranomasina ilay vedette, ary nony avy eo dia nitsingevana nandritra ny 19 andro ka tonga taty amin’ny morontsirak’i Madagasikara.
Na dia nandeha an-dranomasina nandritra izany fotoana lava izany aza, dia samy salama tsara izy telo, tsy nisy soritr’aretina, tsy nisy famantarana loza na fahavoazana.
𝐒𝐚𝐫𝐨𝐛𝐢𝐝𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚… Manoloana ny fiparitahan’ny aretina maso ao amin’ny Faritra Boeny, dia tonga anio ary hiparitaka amin’ireo tompim-pahasalamana…