Tsy nisy anarana na taratasy manamarina io sambo io, fa hita fa mitondra laharana PPC 5820-OL-12.
Teratany maorisianina telo no tao anatiny. Nilaza izy ireo fa nanaovana fitsapana an-dranomasina ilay vedette, ary nony avy eo dia nitsingevana nandritra ny 19 andro ka tonga taty amin’ny morontsirak’i Madagasikara.
Na dia nandeha an-dranomasina nandritra izany fotoana lava izany aza, dia samy salama tsara izy telo, tsy nisy soritr’aretina, tsy nisy famantarana loza na fahavoazana.
Niditra tamin’ny andro faharoa ny Kongresim-paritry ny SONOSE/Mada ( Solidarité des Normaliens en Sciences de l’Education de Madagascar) Sofia androany…