Notanterahina ny 14 sy 15 Mey 2025 lasa teo ny fiofanana aminโny ady hatao aminโny famarotanaolona, niarahanโny BNLTEH sy ny Minisiteranโny Filaminam-bahoaka nikarakara. Tonga nanotrona ny fanokafana tamin-pomba ofisialy ny Secrรฉtaire Exรฉcutif anโny BNLTEH, ny Talenโny Fanarahamaso ny Fifindra-monina, ary ny Talenโny Fikarohana sy Fampiofanana Mitohy.
Ka ny Agents sy Officiers de Police Judiciaire (APJ sy OPJ) no nisitrala ity fiofanana manokana ity, taminโizany no namelabelarana fa ny tomponโandraikitra mivantana aminโity sehatra marefo ity ny Minisiteranโny Filaminam-bahoaka sy ny BNLTEH (Birao Nasionaly miady aminโny Fivarotana Olona), ka izany indrindra nanamafisana ny fahaiza-manaonโireo mpitandro filaminana aminโny ady atao aminโny fanondranana sy fivarotana olona.
Mpiasa Fantatra fa miisa 25 avy aminโny sampandraharaha miisa enina no nandray anjara taminโty fiofanana manokana ity, anisanโizany ny Sampana misahana ny famotorana manokana, ny polisy aminโny seranam-piaramanidina sy sisintany, ny polisy misahana ny zaza sy ny vehivavy, ny ady aminโny heloka anaty aterineto, ny sampana pasipaoro, ary ny heloka bevava ankapobeny.
Anisanโny tao anatinโny fandaharam-potoana niofanana ny fahalalana sy fahafantarana ny karazana endrika famarotanolona , ny fifehezana ireo paikโadim-pamotorana manaraka lalร na sy manaja zonโolombelona ; fitsirihana ireo karazanolona marefo mety ho lasibatry ny tambajotra mpivarotra olona ;


