๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐
๐๐ง๐ญ๐๐ง๐๐ง๐๐ซ๐ข๐ฏ๐จ, ๐๐ ๐
๐๐๐ซ๐จ๐๐ซ๐ฒ ๐๐๐๐
๐ฎ๐ฌ ๐ง๐๐ข๐ก๐ ๐ก๐๐ก๐ข๐ ๐ฃ๐ข๐๐ก๐ ๐ก๐ฌ ๐๐๐๐๐ฆ๐๐๐๐ ๐๐กโ๐ก๐ฌ ๐ ๐ฃ๐๐๐ฆ๐: ๐ ๐๐ก๐๐๐๐๐ญ๐ ๐ก๐ฌ ๐๐๐๐-๐ฎ๐ฌ ๐ง๐๐ข๐ก๐๐ก๐ฌ ๐ก๐ฌ ๐๐ฆ๐๐
Niorina taminโny taona 2006 rehefa nahazo ny fankatoavana ara-panjakana, ny Espace Sanitaire Interentreprises d’Antananarivo (ESIA) dia mankalaza aminโity taona 2026 ity ny faha-20 taonany. Roapolo taona nanolorany tolotra natokana ho anโny fahasalamanโny mpiasa sy ny fianakaviany eto Antananarivo.
Ivotoeram-pitsaboana arakโasa ho anโny fikambananโorinasa ny ESIA, ary ireo orinasa mivondrona ao anatiny no tompony. Eo ambany fiahianโny Minisiteranโny Asa sy ny Fampanana asa (FOP) izy, ary miara-miasa akaiky aminโny Minisiteranโny Fahasalaman-bahoaka (MINSAN).
Manatanteraka ny andraikiny araka ny voafaritry ny lalร na 2003-1162 navoakanโny Minisiteranโny Asa ny ESIA, ka anisanโizany:
Ireo andraikitra sahaniny
โข Manara-maso sy manaraka ny toe-pahasalamanโny mpiasa (fitsaboana arakโasa)
โข Manome torohevitra sy fanentanana momba ny fisorohana sy fitandroana fahasalamana
โข Manampy ny orinasa aminโny fisorohana ny loza eny an-toeram-piasana aminโny alalanโny fitiliana sy fanofanana
โข Mitsabo ny mpiasa sy ny vady aman-janany
Mivoha 24 ora isanโandro tsy miato ny ESIA, ahafahanโny mpikambana sy ny fianakaviany misitraka fitsaboana sy fanafody. Tafiditra ao anatinโizany ny fitsaboana aretina mitaiza, na dia efa nisy talohanโny nidirana ho mpikambana aza ilay aretina.
Marihina anefa fa tsy hopitaly ny ESIA. Raha misy tranga mitaky fitsaboana hopitaly, dia alefa any aminโny hopitaly safidinโny marary araka ny fahafahany izy ireo.
Hetsika manokana ho fankalazana ny faha-20 taona – 2026.
Ho fanamarihana izao tsingerintaona izao dia hisy hetsika maro hotanterahina :
1. Fizahana maimaim-poana ho anโny besinimaro
o Fitiliana diabeta
o Fitiliana tosidrร
2. Fanomezana rร
o Hotanterahinโny mpiasa ESIA eny aminโny foibenโny rร ao aminโny Hรดpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA)
3. Kilalao sy fanentanana ahazoana loka
o Eny aminโny ivotoerana ESIA Tanjombato, Ambohibao ary Antasahabe
4. Fitokanana ny trano vaovao
o Aminโny volana Aprily
5. Fanomezana mari-pankasitrahana ho anโny mpiasa ESIA
o Aminโny faranโny volana Aprily
6. Valandresaka momba ny Fahasalamana sy Fiarovana eny an-toeram-piasana
o Hotanterahina aminโny volana Jolay
o Natokana ho anโny orinasa, mpampiasa, mpiasa, komity misahana ny fiarovana, tomponโandraikitra misahana ny mpiasa ary ireo mpisehatra aminโny fisorohana ny loza eny an-toeram-piasana
7. Kilalao fifaninana-kira ho anโny orinasa mpikambana
o Hifarana aminโny lanonana fanomezana loka ho anโireo mpandresy
20 taona niarahana nanatsara ny fahasalamana eny an-toeram-piasana
Aminโizao fankalazana izao dia manamafy ny fanoloran-tenany ny ESIA aminโny fanatsarana hatrany ny fahasalamanโny mpiasa sy ny fiarovana aminโny loza eny an-toeram-piasana.
Misaotra ireo orinasa mpikambana, mpiara-miombonโantoka ary ny mpiasa rehetra izay niara-nandrafitra sy nanohana nandritra izay 20 taona izay.




