MANDRITSARA – NANDAMOKA NY ASA RATSY SAIKA HATAON`NY JIOLAHY MPANGALATRA OMBY

249 0
Dahalo roa lahy saika hanatanteraka halatr`omby tao Ambinanintelo Ambatomainty kaominina Marotandrano ny 29 desambra teo. Efa voasambotra mialoha noho ny asa ratsy momba halatr`omby ny iray ka nahazoana loharanom-baovao tamin`ny alalan`ny finday ampiasain`izy rehefa nandefa sms tamin`ny namany ity ilay dahalo hafa mbola miriorio sady mametraka kajy amin`ny fangalaran`omby.
Nametrahan`ny zandary ao amin`ny Brigade Marotandrano velampandrika jiolahy io ka tra-tehaka. Nampanaovina fihaonana taminy ilay dahalo voasambotra ny 31 desambra, niara-dalana taminy nandritra izany ny mpitandro filaminana.
Tampoka tamin`ilay dahalo hafa ny nahatratrarana azy ka avy hatrany nirifatra nilefa izy. Nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana, tsy nijanona izy ka avy hatrany nitifitra azy ireto farany.
Hakatra fampanoavana amin`ny herinandro ity ilay jiolahy sisa tsy maty, raha ny faazavana avy amin`ny lehiben`ny brigade ao Marotandrano tamin`ny mpanao gazetinay.
Velombolo ny asa tsara ataon`ny zandary ireto ny vahoaka ao anatin`ny kaominina Marotandrano. Tsy miraviravy tanana na dia tao anatin`ny fitrehana ny fetin`ny farany taona ny mpitandro filaminana aty aminay, hoy zanaka kaominina ity.
Nangonin`i Claudio

Related Post

𝐅𝐎𝐑𝐓-𝐃𝐀𝐔𝐏𝐇𝐈𝐍| 𝐅𝐈𝐅𝐀𝐌𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀-𝐊𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐓𝐎𝐋𝐀𝐆𝐍𝐀𝐑𝐎

Posted by - février 2, 2025 0
Tao anatin’ny firahalahiana sy mangarahara ny fifamindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa; RANDRIANIAINA Georges Mamy Ben’ny tanana teo aloha sy Andry ANDRIAMAHASORO Ben’ny…