MANDRITSARA – ALAN-DRAFIA AHIANA HO POTIKA, TSY TAPAKA MANDRIPAKA AZY ITY NY OMBIN`OLONA ALEFA MIRENIRENY

195 0
Manao fanairana amin`ny tompon`andraikitra ara-panjakana misy ao Mandritsara ny tompon`ny tany misy alan-drafia ao Antatatra fokontany Maroamboka distrikan`i Mandritsara. Omby iniana alefa no mandripaka zana-drafia sy voly ary zava-maniry hafa anatin`ny tanin`olona ity. Aripaka alika entin`ireo mpiambina omby koa ny akoho ompian`ireo mponina. Tsy laitra tenenina ny tompon`omby noho izy ireo olona mahitahita an-tanana.
Teny mahery feno fandrahonana no ataon`ny mpiambina omby rehefa mba manitsy azy ireo ny tompon`ny tany misy alan-drafia ao Antatatra ity. Nampiantso mpanao gazety izy ireo androany alarobia 8 janoary nanamafy ny fanairana natoa izay. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny sefo fokontany ao Maroamboka, RABENOAVY Philibert, maraina teo. Nanamafy ny tokony tsy hamelana omby ireto ao anatin`ny alan-drafia misy voly koa ny tenany teto.
« Fifampiraharahana no ilainay, tsy mandrara azy ireo hampisotro rano omby amin`ny toerana ny mponina ao Antatatra. Ny famelana ireo omby manimba alan-drafia sy voly hafa ao anatiny no olana » hoy hatrany ny mponina.
Nangonin`i Claudio

Related Post

TANTERAKA NY NOFINOFIN4IREO kAOMININA 08 NANDRITRAN4NY 20 TAONA MAHERY

Posted by - août 12, 2025 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐈𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐕𝐀𝐙𝐎, 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐍𝐎𝐅𝐈𝐍𝐎𝐅𝐈𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐋𝐎(𝟎𝟖) 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐏𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟐𝟎 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐄𝐑𝐘 Vita ny BAC…