MANDRITSARA – ALAN-DRAFIA AHIANA HO POTIKA, TSY TAPAKA MANDRIPAKA AZY ITY NY OMBIN`OLONA ALEFA MIRENIRENY

109 0
Manao fanairana amin`ny tompon`andraikitra ara-panjakana misy ao Mandritsara ny tompon`ny tany misy alan-drafia ao Antatatra fokontany Maroamboka distrikan`i Mandritsara. Omby iniana alefa no mandripaka zana-drafia sy voly ary zava-maniry hafa anatin`ny tanin`olona ity. Aripaka alika entin`ireo mpiambina omby koa ny akoho ompian`ireo mponina. Tsy laitra tenenina ny tompon`omby noho izy ireo olona mahitahita an-tanana.
Teny mahery feno fandrahonana no ataon`ny mpiambina omby rehefa mba manitsy azy ireo ny tompon`ny tany misy alan-drafia ao Antatatra ity. Nampiantso mpanao gazety izy ireo androany alarobia 8 janoary nanamafy ny fanairana natoa izay. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny sefo fokontany ao Maroamboka, RABENOAVY Philibert, maraina teo. Nanamafy ny tokony tsy hamelana omby ireto ao anatin`ny alan-drafia misy voly koa ny tenany teto.
« Fifampiraharahana no ilainay, tsy mandrara azy ireo hampisotro rano omby amin`ny toerana ny mponina ao Antatatra. Ny famelana ireo omby manimba alan-drafia sy voly hafa ao anatiny no olana » hoy hatrany ny mponina.
Nangonin`i Claudio

Related Post

𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)

Posted by - avril 20, 2024 0
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)   ✦Tonga ao Antsohihy ireo sinoa avy…