๐ ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ – ๐ ๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ๐ฎ๐ณ๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฟ๐ผ๐ฏ๐ผ๐ฟ๐ผ๐ฏ๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ป๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ธ๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป`๐ป๐ ๐ ๐ฝ๐ถ๐ป๐ผ ๐ฆ๐ถ๐น๐ฎ๐บ๐ผ
(๐ญ๐๐ฟ๐๐ฝ๐ ๐๐๐บ๐ ๐๐ ๐ฟ๐๐
๐๐๐บ ๐๐๐ ๐๐๐พ๐, ๐๐๐บ๐ฟ๐๐ฝ๐ ๐ ๐ ๐
๐)
โฆ Manana ny sata ara-panjakana mifehy azy ny ๐ญ๐๐๐๐๐๐๐๐๐`๐๐ ๐ด๐๐๐๐ ๐บ๐๐๐๐๐ eto Mandritsara, izy ireo izay mivondrona amin`ny foto-kevitra ijoroany indrindra eo amin`ny fampiroboroboana ny finoana Silamo. Eo koa ny fizahana vahaolana eo amin`ny samy mpino. Tsy manilika n`iza n`iza ny fikambanana fa misokatra ho an`ny rehetra izay vonona hanaraka fitsipika mifehy misy ao anatiny.
Mariky ny firaisankina ao anatin`ny fikambanana dia nanatontosa fifidianana Amir na filoha mitantana fikambanana ity androany zoma 19 jolay. I Aly no lany hitantana ny fikambanan`ny Mpino Silamo eto Mandritsara nandritra latsa-bato natao tao an-tranompokonolona Madritsara Vaovao.
Roa no nirotsan-kofidiana tamin`izany, 56 ny mpino tonga nandrotsa-bato. Nilamina ny fizotran`ny fifidianana izay natrehan`ny mambra avy amin`ny OMC, nahitana lehiben`ny fampanoavana, solontenan`ny lehiben`ny distrika ary ny solontenan`ny olom-boafidy.