RN6 | Ratsy be ny lalana Befotaka

1038 0

Nohon’ny rotsak’orana misesisesy dia simba ary mila tsy ho azo ampiasaina intsony ny lalam-pirenena faha enina (RN), ity lalam-pirenena ity dia mampitohiny an’Antsiranana sy Antananarivo, eo  Befotaka -Maromandia moa no tena ahitana sy iharan’izay faharatsian-dalana izay.

Amin’izao fotoana izao, dia Kamiao 4 sy fiara fitaterana mahery ny 15 no mihato nanomboka omaly Zoma 23 Febroary 2024, araka ny filazan »ireo Mpitatitra dia lalina loatra ny lavaka misy eny an-dalana ka miteraka fahasimban’ny fiara, ankoatry ny oran’andro mifafy any an-toerana.

Noho izany dia velon-taraina ireo mponina sy vahoaka mivelona any amin’ity faritra ity, ka mangataka ny hijeren’ny mpitondra fanjakana ny fahavoazana lehibe mahazo azy ireo. 

Nangonin’i Sela FANAMBARANA

Related Post

Paska Antsirabe

Posted by - avril 1, 2024 0
Paska Antsirabe Anisan’ny fety iray tena mampiavaka an’Antsirabe ny fetin’ny paska, saika Tonga eto avokoa ny avy any amin’ny faritra…

DISITRIKA NY BENENITRA

Posted by - janvier 18, 2025 0
Tontosa androany ny Fambolen-kazo ato Faritra Atsimo Andrefana ka nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany teto amin’ny Disitrika ny Benenitra .…