Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanamarika ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge ny ekipa rehetra taty an-toerana.

194 0
Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanamarika ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge ny ekipa rehetra taty an-toerana.
👉 Natomboka tamin’ny fanadiovana ny kianjan’ny la place sy ny fandokona ny birao ao amin’ny lapan’ny tanàna ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge ny Alarobia maraina faha 07 May taona 2025 teo iny. Izay notarihin’ny Ramatoa Ravoninahitriniarivo Mbaje Jeaninne Gabrielle filohan’ny sampana vokovoko mena na Croix-Rouge Malagasy, aty amin’ny faritra Betsiboka.
👉Ny marainan’ny Alakamisy faha 08 May taona 2025 teo, izay tao anatin’ny fankalazana sy ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge dia nifampitaona teny amin’ny tokon-tanin’ny: ( Hôtel-restaurant le Mandarin,) tamin’ny alalan’ny « carnaval » namakivavaky ny tanàna, niarahan’ny mpikambana ao amin’ny Croix-Rouge aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ary notronon’ireo fikambanana antoko TGV, FI.VA.ZA Maevatanàna, ben’ny tanàna ato amin’ny kaominina Maevatanàna voalohany, solotenan’ny KB8M aty amin’ny renivohim-paritra Betsiboka, Chef CISCO Maevatanàna, mpandrindram-paritra Croix-Rouge aty an-toerana ny hetsika. Avy eo dia nifarana teny amin’ny kianjan’ny la place ny diaben’ny fanamarihana, sady nanaovana ny kabary nifandimbiasana. Nandritra izany ny fanomezana marim-pakasitrahana avy any amin’ny Croix-Rouge Malagasy foibe, hoan’ireo olona dimy mpikambana ao amin’ny Croix-Rouge, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Mbola nahazo marim-pakasitrahana ihany koa ny filohan’ny sampana vokovoko mena isam-pokontany, aty amin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra.
👉 Taorian’izay dia nitsidika ny  » Dispensaire Mahavonjy, » ao amin’ny biraon’ny Croix-Rouge Malagasy eto Maevatanàna ny rehetra, niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana isan’ambaratonga. Nofaranana tamin’ny fiarahana misakafo ny nofokena mitam-pihavanana, tao amin’ny Espace le Mandarin ny lanonana.
👉 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa nisy ny foto-kevitra nijoroan’ny ainga iraisam-pirenena ny Croix-Rouge sy ny Croissant Rouge: Maha olona, tsy fanavakavahana, tsy fiadanana, Mahatsangy, Firotsahana an-tsitrapo, Maha tokona azy, Firaisambolo, Ampio izy hanampy,
✍️ Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
« 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 » 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…