Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanamarika ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge ny ekipa rehetra taty an-toerana.

60 0
Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanamarika ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge ny ekipa rehetra taty an-toerana.
👉 Natomboka tamin’ny fanadiovana ny kianjan’ny la place sy ny fandokona ny birao ao amin’ny lapan’ny tanàna ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge ny Alarobia maraina faha 07 May taona 2025 teo iny. Izay notarihin’ny Ramatoa Ravoninahitriniarivo Mbaje Jeaninne Gabrielle filohan’ny sampana vokovoko mena na Croix-Rouge Malagasy, aty amin’ny faritra Betsiboka.
👉Ny marainan’ny Alakamisy faha 08 May taona 2025 teo, izay tao anatin’ny fankalazana sy ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny Croix-Rouge dia nifampitaona teny amin’ny tokon-tanin’ny: ( Hôtel-restaurant le Mandarin,) tamin’ny alalan’ny « carnaval » namakivavaky ny tanàna, niarahan’ny mpikambana ao amin’ny Croix-Rouge aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ary notronon’ireo fikambanana antoko TGV, FI.VA.ZA Maevatanàna, ben’ny tanàna ato amin’ny kaominina Maevatanàna voalohany, solotenan’ny KB8M aty amin’ny renivohim-paritra Betsiboka, Chef CISCO Maevatanàna, mpandrindram-paritra Croix-Rouge aty an-toerana ny hetsika. Avy eo dia nifarana teny amin’ny kianjan’ny la place ny diaben’ny fanamarihana, sady nanaovana ny kabary nifandimbiasana. Nandritra izany ny fanomezana marim-pakasitrahana avy any amin’ny Croix-Rouge Malagasy foibe, hoan’ireo olona dimy mpikambana ao amin’ny Croix-Rouge, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Mbola nahazo marim-pakasitrahana ihany koa ny filohan’ny sampana vokovoko mena isam-pokontany, aty amin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra.
👉 Taorian’izay dia nitsidika ny  » Dispensaire Mahavonjy, » ao amin’ny biraon’ny Croix-Rouge Malagasy eto Maevatanàna ny rehetra, niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana isan’ambaratonga. Nofaranana tamin’ny fiarahana misakafo ny nofokena mitam-pihavanana, tao amin’ny Espace le Mandarin ny lanonana.
👉 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa nisy ny foto-kevitra nijoroan’ny ainga iraisam-pirenena ny Croix-Rouge sy ny Croissant Rouge: Maha olona, tsy fanavakavahana, tsy fiadanana, Mahatsangy, Firotsahana an-tsitrapo, Maha tokona azy, Firaisambolo, Ampio izy hanampy,
✍️ Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

𝐋𝐀𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐑𝐈𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐋𝐀𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐊𝐀𝐑𝐓𝐈𝐄 𝐌𝐎𝐁𝐈𝐋𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 « 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐒𝐎𝐀 𝐃𝐈𝐓 𝐊𝐎𝐓𝐎

Posted by - mars 24, 2025 0
𝘽𝙀𝙏𝘼𝙇𝙀𝙑𝘼𝙉𝘼 𝙎𝙔 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙏𝙊𝙈𝘼𝙇𝘼𝙈𝘼, 𝙁𝙊𝙆𝙊𝙉𝙏𝘼𝙉𝙔 𝘼𝙉𝙄𝙎𝘼𝙉’𝙄𝙍𝙀𝙊 𝙈𝘼𝙁𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙃𝘼𝙇𝘼𝙏𝙍’𝙊𝙈𝘽𝙔 𝘼𝙊 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙆𝘼𝙊𝙈𝙄𝙉𝙄𝙉𝘼 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙉𝙄𝙑𝙊𝙃𝙄𝙏𝙍𝘼 𝘽𝙀𝙈𝘼𝙄𝙏𝙎𝙊, 𝘿𝙄𝙎𝙏𝙍𝙄𝙆𝘼 𝘼𝙉𝘿𝙄𝙇𝘼𝙈𝙀𝙉𝘼. Nirotsaka tany an-toerana ny Komandà…