LEHILAHY IRAY NIKASA HANOLANA ZAZA TSY AMPY TAONA MIISA 3 VOSAMBOTRY NY POLISY TAO MAINTIRANO

257 0

 Nosamborin’ny Polisin’ny FIP ity lehilahy 28 taona ity ny Asabotsy 17 febroary 2024 noho ny fanaovana herisetra sy fikasana hanolana zaza tsy ampy taona tao amin’ny Fkt Tanambao SPM, Kaominina Mantirano.

 Araka ny fanadihadiana nataon’ny Kaomisaria ao Maintirano dia zaza latsaky ny 13 taona miisa 3 ireo saika naolany ireo. Nirongo antsy izy tamin’io fotoana io saingy vao nahita ny fokonolona dia tsy afaka nanohy ny fikasan-dratsiny. Ankoatr’ireo dia nisy vehivavy iray ihany koa niaran’ny herisetra sy fikasana hanolana nataon’ity lehilahy ity.

 Natolotra ny sampan-draharaha miaro ny zaza sy ny olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady ao an-toerana kosa ny raharaha

Nangonin’i Antenna

Related Post

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatin’ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
« 𝐻𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑖𝑧𝑎𝑦 ℎ𝑎ℎ𝑎 𝐹𝐾𝑇 𝑀𝑝𝑖𝑡𝑎𝑟𝑖𝑑𝑖𝑎 ( 𝐹𝐾𝑇 𝑃𝑖𝑙𝑜𝑡𝑒) 𝑛𝑦 𝐹𝑜𝑘𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑘𝑜 𝑎ℎ𝑜, 𝑠𝑎𝑡𝑟𝑖𝑎 𝑡𝑒𝑡𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑡𝑠𝑎ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑣𝑜𝑛𝑖𝑘𝑜, 𝑘𝑎…

TILY ETO MADAGASIKARA

Posted by - décembre 28, 2024 0
Hetsika Goavambe no hatolotry ny Tily Analamanga Avaratra rahampitso 29 Desambra 2024 iarahana @ #Ampifitia. Hetsika amaranan’ny Tily Analamanga Avaratra…