Lasan´ny orinasa sinoa Medi ny tany 7ha etsy Bemahatazana Antsofonondry Sabotsy Namehana

217 0

 » Lasan´ny orinasa sinoa Medi ny tany 7ha etsy Bemahatazana Antsofonondry Sabotsy Namehana  » villa Fiadanantsoa V ».

Trano mijoro miisa 15 no narodana avokoa izay an’ny fianakaviana mpandova, fantatra fa Tranon-drazana sy fasana sisa no tsy nokitihina . Ny fanampim-baovao teny an-toerana no nahalalana fa efa nisy fifanolanana ny ity  tany ity,

Efa hatramin’ny taona 1973 no nandovan´ny taranaka ny tanin´i Rasamoelina sy Ratsaraide razambeny ny tany Villa Fiadanatsoa V. Nisy nangalatra anefa ny bokin-tany, ary tany amin’ny tera-tany karana no hita, io karana io indray no nivarotra tamin´ny sinoa tompon´ny orinasa Medi, araka ny fitantaran´ireo mpandova .

Anio Alakamisy 22 febroary 2024 tamin´ny 4.30 ora sy sasany maraina no efa nanemitra ny tanàna ny zandary niaraka tamin’ny vadintany, tamin´ny 5.30 maraina  tany ho any no nanomboka ny fanatanterahana ny fandrodanana, ary izay nampiasana irony fitaovana lehibe fandravana trano irony.  

Avy hatrany moa dia fandravana tsy misy indrafo no natao, na dia nitalaho an-dranomaso tsy handravana ny trano aza ireto tompon-trano.

Ho arahintsika eto ny tohiny…

Nangonin’ Lay Mahintsy

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (𝑵𝒂𝒏𝒐𝒎𝒆 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒕𝒐𝒃𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒓𝒊𝒑𝒂𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…

Tobim-piantsonana Andohatapenaka

Posted by - décembre 26, 2024 0
Miankina amin’ny mpamily ny 80 isanjato eny amin’ny lalana hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka Andriamatoa Fidy RANAIVOSON. Manentana…