LANONANA ARA- MIARAMILA SEKOLY AMBONY ZANDARIMARIAMPIRENENA MORAMANGA

345 0
Tontosa ny 15 aprily 2024 teo ny famindram-pibaikoana teo amin’ny Komandy teo aloha ny Jeneraly Heriniaina RABEMANANJARA sy ny Komandy vaovao ny Jeneraly Josh RABEMANANTSOA.
 
Delegasiona mafonja no tonga nanome voninahitra ny lanonana,
notarihin’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona ny jeneraly Richard RAVALOMANANA, ny kolonely Livah RANDRIANATREHINA Minisitry ny asa vaventy, ny Jeneraly Andriantsarafara RAKOTONDRAZAKA, Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly Andriatahina RAKOTOMALALA, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Ny Jeneraly DERAMASINJAKA, lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ary ny Jeneraly Ny Haingo RAMASITERA, Komandin’ireo Sekoly sy ny fanofanana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.
 
Vina sy fanambin’ny Komandy vaovao ny hanohizana sy hantsarana ny zava- bitan’ny teo alpha ( fihofanana manaraka ny toetrandro, fanatsarana sy fananganana foto-drafitrasa vaovao, ny fanohizana ny fiaraha-miasa min’ireo mpiara- miombonantoka sy ireo Mpandraharaha rehetra, ny ady amin’ny kolikoly,..)
 
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ihany koa ireo un manampahefana, olom-boafidy sy olom- boatendry avy aty amin’ny Faritra.
 
Nangonin’i Juanita RAKOTOARIVAO

Related Post

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - juin 1, 2025 0
𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮 Notanterahina tao amin’ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…