Lalam-pirenena faha-32 | adiny 10 mahery lany raha miainga avy ao Mandritsara

341 0

πŸ“Œ Lalam-pirenena faha-32, mampifandray distrikan’i Mandritsara, Befandriana Avaratra ary Antsohihy. Adiny 10 mahery lany raha miainga avy ao Mandritsara hatreo amin’ny lalam-pirenena faha-6 hiditra Antsohihy. Mandany 24 ora ny fiara vaventy mpitondra entana vao afaka.

πŸ“Œ Maniry ny hanamboarana lalana ity ny mponina ao amin’ny distrikan’i Mandritsara sy Befandriana Avaratra satria ifaharan’ny velontenan’olona maro ny famoaham-bokatra toy ny vary, cafΓ©, jirofo ary rafia. Ny hanaovana laharam-pahamehana amin’ny fanarenana fotodrafitrasa ity no tena irin’ny vahoaka. Amin’izao efa misy teknisianina tonga mitsirika ny azo atao amin’ny fanarenana ny lalana fa mbola tsy mino ny tena hahavitany ny vahoaka noho izy ireo matetika voafitaka amin’ny fampanantenana poakaty.

πŸ“Œ Ankatoko fotoam-piasan’ny filoha amperinasa izao, irariana ny hitodihany bebe kokoa amin’ny fanamboarana lalam-pirenena faha-32 ity.

πŸ†” Nangonin’i Claudio

Related Post

π€π¦π›π¨π‘π’π¦πšπ‘πšπ¬π¨πš | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀’𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | πŸ‘ 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲

Posted by - janvier 8, 2024 0
π€π¦π›π¨π‘π’π¦πšπ‘πšπ¬π¨πš | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀’𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | πŸ‘ 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲 Tao Ianantsana Avaratra,Fkt Soatsiovana kominina Manandroy, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony.…

𝐅𝐀HAπŒπ€πˆπ™π€ππ€ π“πŽπ„π‘π€ππ€ π…πˆπ“π‘π€ππƒπ‘π€π‡π€ππ€ π•π€π“πŽ

Posted by - dΓ©cembre 23, 2024 0
Nirehitra ny toeram-pitrandrahana Vato « Spectrolyte na pierre de luneΒ Β» ao amin’ny Fokontany Antsomangana, Kaominina Ambanivohitra Bemaitso, Distrikan’Andilamena ny Alatsinainy 23…