Vohibato, 3 Jolay 2025 โ Nanterinโny Filohanโny Repoblika, Andry Rajoelina, androany ny fanokafana aminโny fomba ofisialy ny Kaomisarianโny Polisim-pirenena vaovao ao aminโny distrikanโi Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony.
Kaomisaria maoderina, ahafahan’ny manam-pahefana miantoka am-pahombiazana kokoa ny fandriampahalemana sy ny filaminana ho anโny mponina ao an-toerana. Polisy miisa 40 no ho voakarakara handrafitra sy hiasa ao aminโity fotodrafitrasa vaovao ity.

Anisanโny tanjona apetraky ny fitondram-panjakana aminโny alalanโny politika fampiatiana ara-piarovana (sรฉcuritรฉ de proximitรฉ) ity fananganana kaomisaria vaovao ity, izay mbola ho tohizana aminโny faritra maro manerana anโi Madagasikara.
Nangonin ‘Lay Mahitsy
