KAOMININA ANOSY AVARATRA

420 0
📌 20 Kilaometara miala an’Antananarivo Renivohitra, manaraka ny Lalam-pirenena Faha3 iny no ahitana ny Kaominina Anosy Avaratra, ao anatin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga.
Kaominina izay azo lazaina fa mbola zandriny ihany, satria ny taona 2015 no nosarahina tamin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Ahitana fokontany 5, ary misy mponina 16 000 Isa eo ho arakan’ny fanisana natao farany teo.
 
📌 Na dia mbola Kaominina Zandriny arak any filazana azy tery ampiandohana aza izy, dia azo lazaina fa sonjo mihoatra ankondro ihany, ahitana foto-drafitr’asa maro ato anatin’ity Kaominina ity, toy ny Hopitaly, Paositry ny Pôlisy, Sekoly sy ny maro tsy voatan’isa. Araky ny fanazavana nomen’Andriamatoa Ben’ny Tanana, dia mbola maro ny ezaka ho hatao ary betsaka ny tanjona ho tratrarina amin’io taona vaovao miditra io, fanamby lehibe hoazy sy ireo mpiara-miasa aminy izany.
 
 

𝐍𝐎𝐓𝐎𝐋𝐎𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐃𝐘 𝐀𝐊𝐎𝐇𝐎 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐙𝐎𝐊𝐈𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀
 
📌 Ankatok’izao asaramanitra izao àry, dia tsy nanadino ny fiaraha-mifaly amin’ireo Zokiolona eto an-tanana Andriamatoa Ben’ny Tanana, ka Zokiolona miisa 200 isa, miparitana ao anatin’ny Fokontany 5 no nozaraina fanampiana sy fanomezana hiaraha-mifaly.
 
📌 Tsara ny mahafantatra fa ity fanomezana ity, dia tan-tsoroka avy amin’ny Fikambanana tsy miankina iray antsoina hoe DIRECT AID, Fikambanana izay mijoro sy miasa eto amin’ny Kaominina.
 
📌 Fisaorana omban-tsodrano, ary fifaliana no nasetrin’ireo Ray aman-dreny an’izany fihetsika maha te-hidera nasehon’ny fiadidian’ny tanana sy ireo mpiara-miasa aminy izany, indrindra fa hoan’ilay Fikambanana Direct Aid.
….
📌 Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa Ben’ny Tanana, dia nirary soa sahady ny vahoak’Anosy Avaratra izy ho tratry ny taona vaovao, ary mirary fety sambatra feno fahombiazana hoan’ny olona tsirairay.

Nangonin’ Ilay Mahintsy

 

Related Post

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔

Posted by - juin 16, 2025 0
𝐓𝐬𝐲 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐓𝐬𝐢𝐫𝐢𝐛𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…

𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 — Taxi brousse mpitatitra olona avy any Ambositra hankany Fianarantsoa io atoandro…

RAHARAHA FANAPOHANA SOLIKA

Posted by - octobre 22, 2024 0
Olona 24 tompon’antoka no voasambotry ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam_pirenenana taorian’ny fidinana ifotony natao tamina tokatrano 10…