KAOMININA AMBONIVOHITRY MORONDAVA MPITONDRA POSY 1375 NO NAHAZO FIHOFANA

318 0

Nanomboka androany 24 febroary hatramin’ny 1 martsa ny fampiofana ireo mpamily cyclopouse eto Morondava iarahan’ny IO’Renala sy ny Commune Urbaine de Morondava ary ny fikambanana FTCM.

Ny tanjon’izao fiaraha-miasa izao dia ny hanatsarana ny fomba fiasan’ny mpitondra cyclopousses amin’ny alalan’ny fifehezana ireo fitsipika mifehy ny fifamohivoizana, ny fitandroana ny fahadiovana ho fanatsarana an’ity endrim-pitaterana ity eo imason’ny fiaraha-monina.

Ahitana mpandray anjara 1375 ity andiany voalohany ity, izay eo ambany fiahian’i Andriamatoa KOLO Fridjof na Fofy izay nilaza fa hanatsarana ny kalitaon’ny asan’ireo mpandraraha eo amin’ny fitanterana ny cyclopouse izao hetsika izao satria akoatran’ny fiofanana mikasika ny fifamoivoizana dia omena fiofanana misakika ny fanajana mpandeha sy ny fadiovana eo amin’ny fanatanterahana asa ihany koa ireo mpitondra cyclopouse, aorian’izao fiofanana izao moa dia hisy ny fandokoana ireo marika fotsy eny amin’ny arabe ataon’ny mpitondra posy ka ny fikambanana IO’RENALA no miaraka manantanteraka izay amin’izy ireo sady miantoka ny loko, hahazo karatra sy fanamiana moa ireo mpitondra posy ireo rehefa vita ny fiofanana ka nilaza ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambonivohitra Morondava fa hiavaka amin’izay ny vary sy ny tsifaripary ary ho hentitra ny fanarahamaso izay iarahan’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny kaominina sy ny rehetra manantanteraka ary hisy koa ny lamina vao amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana eto Morondava izay hita fa tena miha_maro ireo mpampiasa ny lalana

Nangonin’i RA PA – Menabe

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 – 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆

Posted by - avril 20, 2024 0
FORT-DAUPHIN. 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 – 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆   Araka ny programan’asa ny fitondram-panjakana…

𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)

Posted by - avril 20, 2024 0
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 – 𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐢𝐧𝐨𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-31 𝐛𝐢𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 – 𝐁𝐞𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)   ✦Tonga ao Antsohihy ireo sinoa avy…