TOBY FIADANANA FLM PORT-BERGE | NAMOAKA MPIANDRY VAOVAO MIISA 34 NANDRITRA NY FANKALAZANA NY FAHA-11 TAONANY. HIASA ATO ANATY SP SOFIA IRETO ANDIANY VAVOLOMBELONA IRETO.

602 0
Feno 11 taona tamin’ity taona 2024 ity ny Toby Fiadanana miray amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza. Ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) Ankorovaka Port-Bergé no misy an’ity Toby ity izay nitsaboana ny marary nanomboka ny taona 2013.
 » Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika hianareo » (2Tim. 1:8a) no teny fanevana tamin’izao isankerintaona faha XI izao. Izany dia nanomboka tamin’ny alahady 25 Aogositra ary nofaranana tamin’ny zoma 30 Aogositra 2024.
Fangataham-pitahiana, fampianarana, lahateny, fijoroana ho vavolombelona, toriteny, antsampanahy, filaharambe, vavaka, fanasan-tongotra, fandraisana fanasan’ny Tompo , asa sy fampaherezana ary fitokanana mpanombon’ Andriamanitra no zava-nisy tao amin’ny Toby nandritra izay 06 andro izay.
Ka mpiandry vita fianarana sy fiofanana miisa 34 mianadahy misalotra anarana VAVOLOMBELONA no nitokanana tamin’ny famaranana ny 30 Aogositra. Ho tena vavolombelona mahatoky, sahy mijoro, matotra no tso-drano nampiavaka azy andiany ireto. Hiasa avy hatrany ato amin’ny SP Sofia avokoa izy ireo.
Kristianina Loterana maro avy amin’ireo Fileovana 06 mandrafitra ny Synodam-Paritany Sofia notarihan’ny Pastorany avy no tonga nanotrona izany fotoana izany. Ankoatra izay dia nahitana Ray aman-dReny avy amin’ny Synodam-paritany hafa ihany koa toy ny Boeny sy Antananarivo tonga niara-nivavaka sy nizara hafatra taty Port-Bergé.
Pastora Eugène Bernard, Filohan’ny FLM SP Sofia no nitondra ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny tampon’ ny fivoriana ny zoma 30 Aogositra 2024. Nanome voninahitra ny fotoam-piavavahana , niaraka niangona tamin’ny mpino ireo mpitondra ara-panjakana vitsivitsy eto an-toerana.
Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post

𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀𝐕𝐎𝐀𝐕𝐎 | 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐀𝐍-𝐉𝐀𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐊𝐓𝐀𝐑𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 “𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐎𝐕𝐀”

Posted by - novembre 4, 2025 0
« 𝑨𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂𝒚, 𝒔𝒐𝒍𝒐𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒐𝒅𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂𝒐, 𝒂𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒏𝒚 𝒗𝒐𝒌𝒂𝒕𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒈𝒂𝒍𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐… 𝑭𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒐𝒓𝒐 𝒐̂! 𝑽𝒐𝒏𝒋𝒆𝒐 𝒓𝒆 𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒚 !…