π€ππ“π’πˆπ‘π€ππ€ππ€: 𝐍𝐚𝐬𝐞𝐑𝐨 𝐭𝐞𝐨 πšπ¦π›πšπ§π² 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐯𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 π™πšπ³πšπ―πšπ¨ 𝐀𝐧𝐭𝐨𝐀𝐨-𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 πŸπŸŽπŸπŸ“/𝟏

311 0
Antsiranana, 2 Aogositra 2025 β€” Nofaranana tamim-pomba manetriketrika sy lanonana feno hasina ny fotoam-pamaranana ny dingana voalohany amin’ny fanofanana ho an’ireo zazavao antoko-taona andiany 2025/1 ao amin’ny Tafika Malagasy. Tontosa tao amin’ny Tobim-pamaharan’ny Tafika an-dranomasina « Contre-Amiral SIBON GUY AlbertΒ Β» eto Antsiranana ny lanonana.
Ireo miaramila tanora avy amin’ny sampana telo lehibe β€” Tafika an-dranomasina, Tafika an-tanety, ary ny Tafika an-dranomasina miady an-tanety (2Γ¨me BIMA) β€” no naseho ampahibemaso teo ambany faneva. Manodidina ny 161 mirahalahy no nandraisana anjara tamin’ity andiany ity:
60 avy amin’ny Base Navale d’Antsiranana (BANA),
52 avy amin’ny Bataillon Infanterie Antsiranana (BIA),
49 avy amin’ny DeuxiΓ¨me Bataillon d’Infanterie Marine (2Γ¨me BIMA).
Nitarika ny lanonana ireo manamboninahitra ambony, ka isan’izany:
Capitaine de Vaisseau RAMORASATA Gislain, Komandin’ny BANA,
Kolonely RATSIMBAZAFY Dimbiniaina Henintsoa, Komandin’ny BIA,
Capitaine de Vaisseau ANDRIAMANANTENA Jean Christian, Komandin’ny 2Γ¨me BIMA.
Tonga nanome voninahitra manokana ihany koa ny Jeneraly JAOTIANA Fernand, Komandin’ny Fari-piarovana sy Filaminana Ankarana, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra hafa avy amin’ny hery mitam-piadiana sy solontenam-panjakana, anisan’izany i ANDRIAMAMONJISOA Jean Marc, solontena avy amin’ny Governoran’ny faritra Diana, ary ny Lehiben’ny Distrika Antsiranana II.
Fanomezam-boninahitra sy fankasitrahana
Nomena mari-pankasitrahana manokana ireo miaramila mendrika, nahavita tamim-pahavononana sy fitondran-tena tsara ny fanofanana. Voatendry ho Soldat de PremiΓ¨re Classe sy Matelot de PremiΓ¨re Classe ireo voalohany nisongadina avy amin’ny andiany tsirairay.
Tsara marihina fa maharitra 24 volana ny fanompoam-pirenena amin’ny ankapobeny, ary amin’ny fiafaran’izany no anolorana ny « Certificat de bonne conduiteΒ Β», ho fanehoam-boninahitra sy fankasitrahana amin’ny fanompoana am-pahamendrehana an’i Madagasikara.

Related Post

π…π„π’π“πˆπ•π€π‹ 𝐈𝐎’𝐑𝐄𝐍𝐀𝐋𝐀 πƒπ€π˜π’

Posted by - dΓ©cembre 19, 2024 0
𝑯𝒐 π’•π’‚π’π’•π’†π’“π’‚π’‰π’Šπ’π’‚ π’π’š 20 π’”π’š 21 π’‚π’“π’š 22 π’…π’†π’„π’†π’Žπ’ƒπ’“π’† π’Šπ’›π’‚π’ π’π’š π‘­π’†π’”π’•π’Šπ’—π’‚π’ π’Šπ’’𝑹𝒆𝒏𝒂𝒍𝒂 π‘«π’‚π’šπ’” π’Šπ’›π’‚π’š 𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒆𝒕𝒐 𝑴𝒐𝒓𝒐𝒏𝒅𝒂𝒗𝒂 ; π’‰π’†π’•π’”π’Šπ’Œπ’‚…