HIRAGASY : TAFIDITRA HO HAREM-BAKOKA ANY AMIN’NY UNESCO

508 0
Tafiditra amin’ny fomba ofisialy ao anaty lisitry ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona nanomboka ny 5 desambra 2023 alina ny Hiragasy. Ity no kolontsaina manandratra ny maha malagasy faharoa tafiditra ao anatin’io lisitra io tato anatin’ny 5 taona.
 
Nandritra ny fivorian’ny Komity faratampony mandinika sy mamoaka ny lisitra vaovaon’ny harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona izay atao any Botswana no nanapahana izany. Mandray anjara amin’izany fivoriana izany, amin’ny alalan’ny teknolojia ampitain-davitra, ny sekretera jeneran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Johary Andriamahery Ralaimazava, sy ny tale jeneran’ny Kolontsaina, Francis Razafiarison.
Ny taona 2019 no nanomboka nikarakara ny fampidirana ny Hiragasy ho ao anatin’io harem-bakoka maneran-tany io ny Minisitera misahana ny kolontsaina, notarihin’ny minisitra teo aloha, Lalatiana Rakotondrazafy. Ny 8 avrily 2022 no nametrahan’ny minisitra mivantana ny antotan-taratasy fangatahana tao amin’ny « Secrétariat de la convention pour la sauvegarde du patrimoine culturel immatériel – patrimoine vivant secteur de la culture » eo anivon’ny UNESCO tany Paris.
 
Nisy, nanomboka teo, ny fifanakalozana sy ny fifandresen-dahatra tsy ankijanona teo amin’ny UNESCO sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nandritra ny volana maro. Ny volana novambra 2023 no nahazo fankatoavan’ny komitin’ny fanombanana (Comité d’évaluation) ny fidiran’izany anaty fivoriana faratampony ka izao atrehina any Botswana izao.
Nifanindran-dalana tamin’izay ny fananganan’ny minisitera ny Kianjan’ny Hiragasy etsy Ampefiloha. Voalohany teo amin’ny tantara no nanan’ny mpanao Hiragasy kianja namboarina sy tantanan’ny fanjakana.
Tsiahivina koa fa ny faran’ny taona 2021 no tafiditra ho harem-bakoka tsy azo tsapain-tanan’ny zanak’olombelona ny “Kabary malagasy ».
 
Tafiditra ao anatin’ny fanandratana avo ny kolontsaina mampiavaka antsika malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao ezaka izao. Voalohany eo amin’ny tantaran’ny kolontsaina malagasy ny fampidiran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina singa maro toy izao, mandritra ny fotoana fohy, ao anatin’ny “Patrimoine Mondial de l’UNESCO”.
Loharano nanovozana : Akaikin’ny Mpanakanto

Related Post

Analanjirofo Vakoka sy Kolontsaina | Ministera Miasa amin’ny Vakoka

Posted by - juin 1, 2025 0
𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐍𝐉𝐈𝐑𝐎𝐅𝐎 | 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐚𝐤𝐨𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐍𝐨𝐬𝐲 𝐒𝐚𝐢𝐧𝐭𝐞 𝐌𝐚𝐫𝐢𝐞 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲…