Antananarivo, 28 Martsa 2026 — Nankalaza ny faha-88 taonany tamin’ny fomba tsotra nefa feno hafaliana i 𝗠𝗮𝗺𝗮 𝗧𝗶𝗻𝗮, na i Ramatoa 𝗥𝗔𝗧𝗦𝗜𝗠𝗕𝗔𝗟𝗜𝗦𝗢𝗡 𝗕𝗮𝗸𝗼𝗹𝘆, ny sabotsy 28 martsa 2026 lasa teo. Fianakaviana sy havana akaiky no nikarakara ity lanonana ity, ho fanamarihana ny dian’ity raiamandreny hajaina ity.
Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana ny fotoana, izay notarihin’ny Mpitandrina Razafimandrato Dimisoa Daniel, ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny taona maro niainana sy ny fitahiana mbola iainana ankehitriny. Araka ny fanazavana azo, na dia 88 taona aza no voasoratra ara-panjakana, dia manodidina ny 90 taona ny tena niainan’i Mama Tina, noho ny fahatarana tamin’ny famoahana ny kopia nahaterahany tamin’izany fotoana izany.
Taorian’ny fotoam-pivavahana dia notohizana tamin’ny fiaraha-misakafo sy fifampiarahabana niarahan’ny fianakaviana, mpiara-mivavaka ary ireo namana akaiky ny fankalazana. Nanjakain’ny hafaliana, ary nanamarika manokana ny fotoana ny fihirana ireo hira fahiny, izay mbola tadidin’i Mama Tina hatramin’izao. Araka ny nambaran’i 𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐁𝐨𝐝𝐨, zanany, dia vehivavy fakan-tahaka i Mama Tina : olona tso-po, tia manampy, ary reny nahavita nanabe ny zanany tamim-paharetana sy fitiavana, na dia teo aza ny fahabangana navelan’ny fahalasanan’ny vadiny efa ela.
Ankehitriny, efa mivelatra sy miparitaka manerana ny firenena sy any ivelany ny taranany. Nofaranana tamin’ny fanapahana mofomamy, fizarana fanomezana ary fiaraha-mikorana ny lanonana. Ireo rehetra nanatrika dia samy nirary soa sy fahasalamana ho an’ity raiamandreny ity, ary nangataka ny hitohizan’ny fitahiana ho azy.
Bonne anniversaire , Mama Tina.
— Nyh Gabriel




