Handalo eto amintsika ny Dr Rodney Howard-Browne

158 0

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa… 

Tanteraka tokoa izany tenin’ny soratra masina izany satria dia ho avy handalo eto amintsika ny Dr Rodney Howard-Browne mpitarika ny mpamorona ny fiangonana « Ministère de Réveil International » Botswana, Lesotho, Afrique du sud, Zambie, Cameroun, Togo ary Madagasikara no firenena hotsidihiny amin’ilay antsoina hoe Africa Tour 2024.

Araky ny resadresaka nataony dia hitondra fankaherezana ho an’ny vahoaka Malagasy no nahatongavany amin’ny alalan’ny vaovao mahafaly sy ny fifohazam-panahy entiny hampandroso ny firenena.
Betsaka amin’ireo firenena voazanaka no mbola voagejan’ny hery mpanjanaka. Koa dia manainga ny Malagasy izy handray an-tanana ho aviny.

Raha tsy hiresaka hafa tsy Ghana izay tsy mifehy hafa tsy ny 10 isan-jatony ny seranam-piaramanidina ao aminy.
Toa izany koa Siri Lanka izay tsy mahafehy ny fari-dranomasiny fa manankina izany amin’i Chine.
Tokony handray an-tànana ny hoaviny ny vahoaka Malagasy hoy izy manohy ny teniny ary harena lehibe ny vahoaka sy ny tany ao aminy.

Hisy ny fihaonany amin’ny tompon-andraiki-panjakana araka ny filazany.
In-telo miantoana ny fitoriana ny filazan-tsara ataony.Anio sabotsy 13 aprily ny maraina amin’ny 9 ora dia fotoana manokana ho an’ny mpandraharaha sy ny hai-tarika. Ny tolak’andro kosa dia misokatra ho an’ny kirstianina rehetra indrindra fa ny mpanompon’Andriamanitra sy ireo eo anaivon’ny asa fanompoana.

Ny alahady 14 aprily amin’ny 2 ora tolak’andro indray dia misokatra ho an’ny kristianina rehetra. Ireo rehetra ireo dia samy ho tanterahina ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena ao Mahamasina.
Marihina fa maimamipoana avokoa ny fidirana saingy mila maka tapakila CFB Tsiazotafo, Radio Kristianina Ankorahotra, Shop Shekinah Behoririka, ary Super Msic Analakely.

Firenena faha 94 notsidihin’ny Dr Rodney Howard-Browne i Madagasikara koa dia manainga antsika rehetra.

Related Post

𝐏𝐑𝐄𝐅𝐄𝐊𝐓𝐈𝐎𝐑𝐀𝐍’𝐈 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑶𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑶𝑹𝑰𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑨𝑻𝑨𝑵𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑷𝑶𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑵𝑲𝑨𝑷𝑶𝑩𝑬𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑱𝑨𝑲𝑨𝑵𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑵𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑵𝑶𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑶𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑵𝑬𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒀…