Handalo eto amintsika ny Dr Rodney Howard-Browne

374 0

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa… 

Tanteraka tokoa izany tenin’ny soratra masina izany satria dia ho avy handalo eto amintsika ny Dr Rodney Howard-Browne mpitarika ny mpamorona ny fiangonana « Ministère de Réveil International » Botswana, Lesotho, Afrique du sud, Zambie, Cameroun, Togo ary Madagasikara no firenena hotsidihiny amin’ilay antsoina hoe Africa Tour 2024.

Araky ny resadresaka nataony dia hitondra fankaherezana ho an’ny vahoaka Malagasy no nahatongavany amin’ny alalan’ny vaovao mahafaly sy ny fifohazam-panahy entiny hampandroso ny firenena.
Betsaka amin’ireo firenena voazanaka no mbola voagejan’ny hery mpanjanaka. Koa dia manainga ny Malagasy izy handray an-tanana ho aviny.

Raha tsy hiresaka hafa tsy Ghana izay tsy mifehy hafa tsy ny 10 isan-jatony ny seranam-piaramanidina ao aminy.
Toa izany koa Siri Lanka izay tsy mahafehy ny fari-dranomasiny fa manankina izany amin’i Chine.
Tokony handray an-tànana ny hoaviny ny vahoaka Malagasy hoy izy manohy ny teniny ary harena lehibe ny vahoaka sy ny tany ao aminy.

Hisy ny fihaonany amin’ny tompon-andraiki-panjakana araka ny filazany.
In-telo miantoana ny fitoriana ny filazan-tsara ataony.Anio sabotsy 13 aprily ny maraina amin’ny 9 ora dia fotoana manokana ho an’ny mpandraharaha sy ny hai-tarika. Ny tolak’andro kosa dia misokatra ho an’ny kirstianina rehetra indrindra fa ny mpanompon’Andriamanitra sy ireo eo anaivon’ny asa fanompoana.

Ny alahady 14 aprily amin’ny 2 ora tolak’andro indray dia misokatra ho an’ny kristianina rehetra. Ireo rehetra ireo dia samy ho tanterahina ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena ao Mahamasina.
Marihina fa maimamipoana avokoa ny fidirana saingy mila maka tapakila CFB Tsiazotafo, Radio Kristianina Ankorahotra, Shop Shekinah Behoririka, ary Super Msic Analakely.

Firenena faha 94 notsidihin’ny Dr Rodney Howard-Browne i Madagasikara koa dia manainga antsika rehetra.

Related Post

“𝐓𝐬𝐲 𝐫𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲!” — 𝐓𝐨𝐯𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐥𝐚𝐬𝐢𝐛𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐬𝐞𝐭𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚

Posted by - octobre 5, 2025 0
𝗙𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 : 𝗧𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼𝗲 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗺𝗶𝗵𝗶𝘁𝘀𝘆 𝘃𝗲́ 𝗿𝘆 𝗠𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝘀𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗵𝗮𝘀𝗲𝗵𝗼𝗻𝗮𝘆 ?? Tovovavy mpianatra iray eny amin’ny…