๐—•๐—œ๐—ข๐—š๐—ฅ๐—”๐—ฃ๐—›๐—œ๐—˜ ๐—›๐—”๐—๐—ข ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—œ๐—ก๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ฉ๐—˜๐—Ÿ๐—ข

163 0

โœ… Kandida Numรฉro 2 eto #AVARADRANO 2๏ธโƒฃ

โžก๏ธTeraka ny 22 aprily 1967, manambady an-dRamatoa #Tantely_Rabetafika ary manan-janaka 3 mianadahy.

Rehefa afaka bakalorea izy dia nanao ny fanopoam-pirenena na Service National tao amin’ny CAPSAT ary nampianatra tao @ CEG Ankadinandriana.

โžก๏ธ#Ingรฉnieur en Sciences et Techniques des Industries agroalimentaires (Polytechnique de Montpellier) ary manana ny Diplรดme Universitaire de 3รจme cycle en Environnement et Santรฉ (Universitรฉ de Montpellier)

Niverina teto an-tanindrazana izy rehefa nahavita ny fianarany tany ivelany ka nitantana sy nanampy tamin’ny fananangana orinasa lehibe maro teto Madagasikara. Isan’izany ny Pรชcherie du Melaky et du Menabe, ny TIKO, ny Antaris (lasa Orange taty aoriana) izay nampiditra ny finday voalohany teto Madagasikara. Ankehitriny izy dia manana orinasa maro azy manokana.

๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ28 taona monja izy dia voafidy ho Ben’ny Tanร nan’Ankadinandriana. In-3 izy no voafidy tao (1995, 1999, 2007) satria tamin’ny fotoana nitantanany dia ยซย Commune Piloteย ยป-n’ny Union Europรฉenne sy ny Banque Mondiale i Ankadinandriana tamin’ny resaka fampandrosoana. Sambany i Ankadinandriana nahazo EPP 1 isaky ny fokontany, Lycรฉe ary Centre de Formation Professionnelle. Tsy vitan’izay fa nanana dortoire mihitsy ny mpianatra avy lavitra tamin’izany saingy ny mampalahelo dia tsy nisy voakojakoja izy ireny ary tsizarizary ny fitantanana azy.

๐Ÿ–ฅ๏ธIsany nanamarika ny fitantanany an’Ankadinandriana ihany koa ny fisian’ny fitantanana ny ยซย รฉtat civilย ยป tena maoderina. Record mihitsy i Ankadinandriana vao misy hoe fanisana ny mponina na fanisana ny mpifidy satria vao misy olona maty na teraka dia efa enregistrer ao @ Commune avokoa ka haingana be dia fantatra hoe firy marina ny mponina ao ary tsy sahirana izany mihitsy rehefa mikarakara taratasim-panjakana.

Izy mivady ihany koa dia nitaiza sy nampianatra ny mponin’Ankadinandriana hamboly karazam-boninkazo sy hanao ireny ยซย bouquetย ยป ireny ka mba nihatsara ny fidiram-bola ny tantsaha satria tsy mivarotra voninkazo amin’izao fotsiny intsony fa efa mahavita zavatra tsara mihitsy ka mba miakatra ny vidim-bokatra.

โžก๏ธRaha ny resaka lalan’Ankadinandriana kosa dia fiteniny matetika ny hoe ยซย Izaho tsy mbola nampanantena mihitsy ny hanao goudron an’iny lalana iny satria izaho tsy mampanantena zavatra tsy sรปr hoe ho vita izanyย ยป saingy voakojakoja foana kosa anefa ilay lalanantamin’izy Maire ary rehefa lasa Minisitra izy taty aoriana dia nisy ampahany vita pavรฉ na dia teo ary ireo sakantsakana avy amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra izay lehibeny.

โžก๏ธRehefa voatendry Minisitra na Praiminisitra lefitra izy taty aoriana dia tsy nitsahatra niasa ho an’Avaradrano, niangarany manokana mihitsy ary Avaradrano hoy ny sasany.

๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌTsy voatanisa raha ny zava-bitany teto Avaradrano : ny Biraon’ny distrikan’Avaradrano 2 (Alasora sy SabNam) miasa amin’izao ireo dia asa-tanany, toy izany koa ny biraon’ny fananan-tany eo Alasora ka tsy mila mankany Anosy intsony ny avy lavitra vao mahavita taratasy.

๐Ÿ‘ฎ๐Ÿผโ€โ™‚๏ธ Teo ihany koa ny fanamboarana logement ho an’ny Zandary tao Ankadinandriana.

๐Ÿ›๏ธ Tsy adino ireo Birao Kaominaly marobe naorina sy navaozina teto Avaradrano : Ankadinandriana, Ambohimalaza, Talata Volonondry, Manandriana, Ambohimanga Rova sns, sy ny Birao fokontany vaovao natsangana : Ambohimanambola Gara sy Ampahimanga.

๐ŸซTeo ihany koa ireo sekoly marobe natsangany (EPP, Lycรฉe Ankadikely Ilafy, Lycรฉe Manandriana, CEG Sabotsy Namehana, fanitarana ny CEG Ambohimangakely, sns tsy voatanisa.

๐Ÿ€Nanamboarany kianja filalaovana basket sy volley avokoa ireo Kaominina 16.

โœ…Kaominina miisa 8 ihany koa no nisitraka lava-drano miisa 15 manerana an’Avaradrano, teo ihany koa ny toha-drano tao Andriambato, Alasora sy ny lalan-drano tao Manandriana.

๐Ÿ›ฃ๏ธTeo amin’ny resaka #lalana indray : fanamboarana lalana pavรฉ Masindray-Ankadinandriana (2021), fanarenana ny lalana Sampanana SOMACOU-Fiaferana (2020), fanamboarana ny lalana Manandriana-Viliahazo (2020), lalana Antsofinondry-Ivato (2020), lalana mampitohy anโ€™Ambohimangakely sy Betsizaraina (2021), fanarenana ny lalana ao Masindray (2012), fanamboarana lalana pavรฉ ao Fiaferana (2012), fikojakojana sy fanarenana ny lalana ao Ankadinandriana (2012, 2021), , lalana Andrononobe-Analamahitsy (2009), sns. Ankoatra ny asa mivaingana, marobe ireo tetikasa fanamboaran-dalana novatsiana ara-bola taminโ€™ny alalanโ€™ny FER, indrindra ho anโ€™ny Kaominina Ambohimangakely sy Sabotsy Namehana.

โœ…Ekena fa tsy lavorary ny zavatra rehetra ary marobe ireo asa mbola miandry fa tsy mitsanga-menatra kosa anefa ary afaka milaza fa tena niasa ho an’ #AVARADRANO raha i Hajo. Nampiany sy misy dian-tanany avokoa ireo Kaominina 16 manerana an’Avaradrano ary tsy misy na Ben’ny Tanร na iray ary afaka milaza fa tsy nampian’i Hajo. ๐Ÿจi Hajo sy ny MMM ihany no Antoko Politika eto Madagasikara nahavita nanangana toeram-pitsaboana 2 izany na ilay hoe Centre de Santรฉ Mamindra Aina (CSMA) ary eto Avaradrano avokoa izy ireo.

๐Ÿ‘๐Ÿ‘Ankehitriny izy dia izao Kandida Dรฉputรฉ eto Avaradrano izao ary mitondra ny laharana faha-2 @ biletร  tokana

Fampitam-baovao avy amin’i Tsitsi

Related Post

๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—ข๐—ฉ๐—”๐—ก๐—” ๐—ง๐—ข๐— ๐—•๐—”๐—ก’๐—˜๐—ญ๐—”๐—ž๐—” ๐— ๐—ข๐— ๐—•๐—” ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—”๐—ฆ๐—” ๐—ฉ๐—œ๐—ง๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—”๐—ก๐—ข๐—ฆ๐—ฌ

Posted by - aoรปt 31, 2024 0
๐—›๐—ผ ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ ๐—ณ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ผ ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ท๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐—ฎ๐—ฝ๐—ฒ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป’๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ผ ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ๐˜€๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatinโ€™ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
ยซ ๐ป๐‘Ž๐‘›๐‘Ž๐‘œ ๐‘–๐‘ง๐‘Ž๐‘ฆ โ„Ž๐‘Žโ„Ž๐‘Ž ๐น๐พ๐‘‡ ๐‘€๐‘๐‘–๐‘ก๐‘Ž๐‘Ÿ๐‘–๐‘‘๐‘–๐‘Ž ( ๐น๐พ๐‘‡ ๐‘ƒ๐‘–๐‘™๐‘œ๐‘ก๐‘’) ๐‘›๐‘ฆ ๐น๐‘œ๐‘˜๐‘œ๐‘›๐‘ก๐‘Ž๐‘›๐‘ฆ ๐‘ก๐‘Ž๐‘›๐‘ก๐‘Ž๐‘›๐‘Ž๐‘˜๐‘œ ๐‘Žโ„Ž๐‘œ, ๐‘ ๐‘Ž๐‘ก๐‘Ÿ๐‘–๐‘Ž ๐‘ก๐‘’๐‘ก๐‘œ ๐‘›๐‘œ ๐‘›๐‘œ ๐‘›๐‘Žโ„Ž๐‘Ž๐‘™๐‘Ž๐‘ก๐‘ ๐‘Žโ„Ž๐‘Ž๐‘›โ€™๐‘›๐‘ฆ ๐‘ก๐‘Ž๐‘ฃ๐‘œ๐‘›๐‘–๐‘˜๐‘œ, ๐‘˜๐‘Ž…