Fahavitantena ara-tsakafo

444 0
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinan’ny fampandrosoana ny firenena.
Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping. Toerana natokana ho an’ny fikarohana sy fampivoarana ny famokarana vary.
Orinasa, ivotoeram-pikarohana, fikambanan’ny mpamokatra masomboly; mifantoka amin’ny filana sy tombontsoam-bahoaka. Sehatra maro samihafa, mifameno, miara-mikaondoha, hahatratra tanjona iray: ny vary, foto-tsakafontsika Malagasy.
Mampitombo hatramin’ny avo efatra heny ny voka-bary ny fampiasana ny vary safiotra toa ny hitantsika eto izao. Hahatrarantsika ny fahavitan-tena ara-bary.
Izany ny ho endriky ny vinantsika ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Related Post

𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔

Posted by - février 5, 2024 0
𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 (𝐍𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐡𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) 📌 Rangahy iray 40 taona nanolana…