HAI-TRANO | KILA FOREHITRA NY TOBY AVOKO BEVALALA AMBOHIDRATRIMO

203 0
POTIKA NY AKANY AVOKO BEVALALA AMBOHIDRATRIMO KA MIANTSO NY REHETRA IZY IREO HIARA-HANARINA NY TOBY.
Nitrangan’ny hain-trano mahatsiravina ny Akany Avoko ao Bevalala Ambohidratrimo omaly zoma 20 Septambra hariva. May avokoa ny 80%n’ireo trano fitaizana ny ankizy ao amin’ity Toby ity.
Tsy misy azo noraisina ireo fitaovana ny farafara fandriana (superposés), ny kidoro, ny akanjo amam-pitafiana sy ny fitaovam-pianarana rehetra. Miisa 34 ireo ankizy voakasika mivantana an’izao voina izao raha 52 isa no beazina ao amin’ny Akany.
Manoloana izany dia miantso ny rehetra tsy ankanavaka ry zareo ao amin’ny Akany Avoko Bevalala mba hanampy azy ireo hanao asa fanarenana ny toby sy ny fameranana ireo fitaovana potika ireo.
Niara-nientana tamin’ny famonoana ny afo ny tompon’andraikitra avy tao amin’ny kaominina Ampanefy sy ny mpamonjy voina niaraka tamin’ny zandary ary ny fokonolona.
Voalaza fa « court-circuit panneaux solaires » no nahatonga an’izao loza izao.
Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post

Antoko Tiako i Madagasikara | Namboly hazo teny Imerinkasinina

Posted by - février 3, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐇𝐈𝐒𝐎𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐍𝐀𝐓𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐂 𝐑𝐀𝐕𝐀𝐋𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 Androany, nandritra ny fambolen-kazo, izay…