FORT-DAUPHIN FANKALAZANA NY FETIN’NY ASARAMANITRA MIARAKA AMIN’NY FARITRA ANÔSY 

176 0
Tsy misy manana ny ampy,fa sambatra izay mifanampy.
Ho fankalazana ny fetin’ny asaramanitra iatrehana ny krismasy sy fanaovana veloma ny taona 2024 ary ho fitsenana ny taona vaovao 2025.
Nihaona tamin’ireo solotenan’ny Ray aman-dreny beantitra, ireo to-teny sy ireo mpikambana ao anatin’ny komity loharano isakin’ny fokontany 11.
Nifampizara hafaliana sy fifankatiavana ho azy ireo ny Governoran’ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA sy ireo ekipa mpiara-miasa aminy.
Vary ,voamaina,menaka ary vatomamy no natolotra azy ireo ho marikin’ny fanomezam-boninahitra sy firaisankina mba hanamafisana hatrany ny fifanampiana ho tombotsoa iraisan’ ny vahoaka ato anatin’ny Faritra.
Notolorana fanamiana mampiavaka azy ireo araka ny fampanantenana nataon-dramata Governora ihany koa ireo komity loharano izay mpiara-miasa amin’ny Faritra mba ho fampandrosoana eny anivon’ny fokontany.
Hafatra nampitain-dRamatoa Governora ny hisian’ny fifankatiavana sy firaisankina ho an’ny fampandrosoana.
Nangonin’i ARRONE KENNEDY.

Related Post

𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢

Posted by - février 4, 2024 0
« 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘰𝘫𝘢𝘬𝘰𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 » 𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢   𝗔𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟯.𝟬𝟮.𝟮𝟬𝟮𝟰…