FORT-DAUPHIN | 𝗑𝗬 π—”π—Ÿπ—” π—©π—˜π—Ÿπ—’π—‘π—” 𝗑𝗒 π—”π—‘π—§π—’π—žπ—¬ 𝗑𝗬 π—”π—‘π—žπ—˜π—›π—œπ—§π—₯π—œπ—‘π—¬ 𝗦𝗬 𝗑𝗬 𝗛𝗒 𝗔𝗩𝗬

41 0
Soamadebo, Kaominina Ranopiso, Distrika Tolagnaro – FARITRA ANOSY
Niara nientana ny Faritra AnΓ΄sy izay tarihin’i Ramatoa Goverinora Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA miaraka amin’ireo tompon’andraiki- mpanjakana eto an- toerana, nanamarika ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny andro nasionaly ho fanaraha- maso ireo hazo novolena sy fametrahana aro afo hisorohana ny doro tanety.
Izany dia tafiditra ao anaty ny paik’ady ny fitondram- panjakana ho fiarovana ny valan- javaboary sy ny tontolo iainana mba hahamaintso indray an’i Madagasikara, iarahana amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain- jafy miaraka amin’ireo mpiara- miombon’antoka maro samihafa.
Β Β» Ndao ho kolokoloina ny ala mba hikolokoloany ireo tarana- tsika afaraΒ Β», hoy Ramatoa Goverinora nanentana ireo vahoaka ato anaty ny faritra AnΓ΄sy ary nisaotra sahady ireo ezaka hifarimbonan’ny tsirairay amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Nangonin’i ARRONE KENNEDYΒ 

Related Post