๐ Natao androany faha 9 febroary 2023 ny lanonanana,ho fanolorana ny salotr’aina ,ho an’ireo mpanjono miisa 190. ยซย Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena manga miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka. Ankoatra izay dia misy ny tantsoroka ara-teknika ,ka nomena fiofanana mandritran’ny telo taona ireo mpanjono mba ho matihanina amin’ny fampiahara ireo teknikam-panjonoana manara-penitra .
๐ Marihina moa fa hatramin’ny taona 2023,dia efa maherin’ny 1400 ireo mpanjono nisitraka salotr’aina.
Hotohizana hatrany ny fampitaovana ireo mpanjono,sy ny mpivarotra trondro amin’ity taona ity ย ยป hoy ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toe-karena Manga Atsinanana.
๐Manam-pahefana maro no nanome voninahitra ity fotoana ity androany,izay nahitร na ny Solombavam-bahoakan’ny Toamasina Faharoa Atoa ROILAHY JONAH sy ny Ben’ny Tananan’ny Kaominina Amboditandroho Atoa Andrianary THIERRY DIDIER ,izay samy faly ary nankasitraka ny Fitondram-panjakana,satria mamaha olan’ny mpanjono ny fazahoana ireo fitaovana ireo ,satria miaro azy ireo amin’ny loza mety hitranga.
๐ Nangonin’i Claudia Tsitolomy