Manana ny Birao foibeny ao Madiotsifanana, Kaominina renivohitra Ambatondrazaka ny fikambanan’ireo Ben’ny Tanana sy Mpanolotsaina IRMAR ato amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka.
Birao izay ahitany efitrano malalaka fandraisana olona sady fanaovana fivoriana, misy efitra 03 natao hitobian’ireo ben’ny Tanana sy Mpanolotsaina na mpiasan’ny Kaominina avy lavitra mamita iraka eto Ambatondrazaka.
Ankoatran’izay anefa dia natao hamonjena ireo vahoaka tsy afaka mody nohon’ny antony manokana na tsy azo hanoharana ihany koa io birao io,ary afaka mikarakarana sakafo ao izy ireo satria misy lakozia malalaka ary ezahin’ireo ben’ny tanana ho asiana fitaovana toy ny Vilany sy vilia sns…ihany koa ao.
Nidera ny firaisan-kinan’ireo ben’ny tanana IRMAR 17 ireo ny Loholon’i Madagasikara Γmiline RAKOTOBE raha nahera izany ka nitsidika io birao io ny harivan’ny Alarobia 02 Jolay 2025 ary nanome fanampiana ara-bola ny fikambanana sady nanamafy ny tokony hanohizana hatrany izao firaisankina izao fa vonona ny hifanome tanana amin’izy ireo amin’izay vitany hatrany izy sy ny mpiara miasa aminy.
Nisaotra ny loholona tamin’izao fitsidihany ny birao sy fanomezana fanampiana izao moa ireo ben’ny tanana ka ny Filohan’ny Fikambanana RABEHARIMANANA Pascal, ben’ny tananan’ny Kaominina Ambohitsilaozana sy ny ben’ny Tananan’Atanandava izay zokiny indrindra RANDRIAMAHAVELONA Donneur no nitondra ny tenin’izy ireo.