➡️ Lanonana ara-miaramila telo sosona no notanterahina teto amin’ny Kianjan’i Maitre Kira Andaboly androany 13 Juin 2025.
Famindram-pibaikona eo anivon’ny Zone de Défense et de Sécurité (ZDS) sy ny Farim-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena (CIRGN) Toliara ary ny Commandant Groupement Atsimo Andrefana.
🇲🇬 Natao eo ambany fiahian’i Jeneraly DERAMASINJAKA Manatsoa Rakotoarivelo Chef de l’état Major des Arme sy ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena Jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahina nanotrona azy ireo ny Prefen’i Toliara RATOVELO Aubin Thierry.
💥 Tafika Antanety sy Andranomasina ary ireo tomponandraikitry ny Fitifirana sy ireo ho lafy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena manerana ny Faritany Toliara no tonga nanatanteraka matso ho fankatoavana ireo toromarika sy baiko avy amin’ireo Tomponandraikitra eo anivon’ny Foloalin-dahy.
Nangonon’i Job