DISTRIKAN’I BENENITRA | Azo lazaina tara ihany koa ity distrika ity

327 0
Ny fampitomboana ny fotodrafitr’asa mifandraika amin’ny lafiny fandriampahalemana sy sy fampitomboana isa ny mpitandro filaminana ao an_toerana ireo no tena laharam_pahamehana voalohany ao amin’ny distrikan’i Benenitra rehefa tonga ny fandaniana ny tetibolam-panjakana hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Benenitra MASY CELESTIN androany.
Azo lazaina tara ihany koa ity distrika ity eo amin’ny lafiny fampianarana ka tokony hatao laharampahamehana ihany koa ny fanavaozana ny fotodrafitrasam_ pampianarana sy ny fampitaovana ny sekoly.
Akoatr’izay ny resaka lalana satria tsy azo aleha mihintsy ny RN7 makany amin’ny RN10 rehefa tonga ny fotoam_pahavaratra.
Tsy azo hamaivanina ihany koa ny resaka fambolena ary ny fikarakarana ny tanora sy fahasalamam_bahoaka.
Betsaka noho izany ireo tokony ho laharam_pahamehana ao amin’ity distrika ity raha ny namafisin’ity solombavambahoaka ity androany fa mbola sombiny ihany ireo.
πŸ“ M.Elvina

Related Post

Kaominina ambanivohitra BemokotrΓ  | Fitokanana tsena tamin’ny fomba ofisialy

Posted by - mai 18, 2025 0
π€π§π­πšπ§πšππšπ―πš/ππžπ¦π¨π€π¨π­π«πšΜ€: 𝐍𝐒𝐭𝐨𝐀𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πŸπ¨π¦π›πš 𝐨𝐟𝐒𝐬𝐒𝐚π₯𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐒𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐒𝐬𝐚𝐀𝐲 𝐧𝐲 𝐀π₯𝐚𝐑𝐚𝐝𝐲. Ny marainan’ny Alahady teo no nanatanteraka…