FIAROVANA NY TONTOLO IANAINA | fambolen-kazo natao tao Antsirika Ambatondrazaka

8 0
Ny 21 febroary 2026, nisy fambolen-kazo natao tao Antsirika Ambatondrazaka, ho an’ny fampandrosoana ny tontolo iainana sy ny fizahan-tany ato anatin’ny faritra. Manodidina ny 1000 zana-kazo nambolen’ny mpikambana ao amin’ny fikambanana misehatra amin’ny fapiasana hazo ato amin’ny faritra, teo ambany fitarihan’ny Tale mpitantana ny Fizahan-tany sy ny Asatanana Alaotra Mangoro, Atoa RAKOTOHARISOA Nasaina Donatien.
Ity hetsika ity dia anisan’ny fampandrosoana ny toerana ao Antsirika. Ny tanjona dia ny hamelomana sy fanajariana indray amin’ny maha toeram-pitsangatsangana sy fialam-boly azy ary koa ho fiarovana ny tontolo iainana.
Ny fambolen-kazo dia natao niaraka tamin’ny fandraisan’anjaran’ny fikambanan’ny mpandrafitra sy mpikirakira hazo, ary koa ny solontenan’ny Fitalevam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana maharitra (DRED) Alaotra Mangoro ary ireo guide touristique avy eto Ambatondrazaka. Ny vahoaka koa dia nandray anjara tamin’ity hetsika ity, izay mikendry ny fampandrosoana maharitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana ao amin’ny faritra.
Ity hetsika ity dia anisan’ny paikady fampandrosoana ny fizahan-tany sy ny asatanana ato anatin’ny faritra Alaotra Mangoro, izay mikendry ny fampandrosoana ny harena voajanahary sy ny kolontsaina misy ao aminy.

Related Post