FIANARANTSOA :Fisaorana sy Fankasitrahana

174 0
Tamin’ny alalan’ny hetsika ยซย Fitia tsy mba hetraย ยป notanterahin’ny Groupe Mikalo, antoko mpihira natsangan’i Saholy tao amin’ny Oratorio Don Bosco Ankofafa, dia naneho firaisankina sy fitiavana ny maro, ho fanohanana aminโ€™ny fitsaboana azy aminโ€™izao tsy fahasalamany izao.
Taminโ€™ny tolakandron’ny alahady 30 Novambra 2025, no notontosaina tao amin’ny Oratorio Don Bosco Ankofafa, Fianarantsoa,ny tolo-tanana, ka ankasitrahana ny vita, hoy ny fianakaviana.
ยซย Isaorana manokana ireo rehetra nahafoy fotoana, angovo, sy fanohanana ara-pitaovana, taminโ€™ny fanatanterahana ity hetsika feno fitiavana ity.ย ยป
Atoa Bertrand Michel, anadahinโ€™i Saholy, no nitondra ny teny fisaorana ho anโ€™ny rehetra.
Fanehoam-pitiavana sy fankasitrahana ho anโ€™i Saholy
โ€œEfa fotoana lavalava izay no tsy salama ny zanako,โ€ hoy Atoa Pierre Michel, Rain’i Saholy, tamim-pahatsorana .Taminโ€™ny teny fohy, no nanehoany ny fankasitrahany aminโ€™ny fahafoizan-tenanโ€™ireo rehetra nanohana sy mbola manohana anโ€™i Saholy.
Eo koa moa ireo namana mpiara-miasa ao aminโ€™ny Onjapeo Tsiry 105 FM Fianarantsoa, izay tsy misaraka aminโ€™ny hetsika sy fiatrehana n’y fanohanana amin’izao sedra ara-pahasalamana LALOVAN’ny Namana Saholinirina izao. Nambaranโ€™izy ireo fa vonona hatrany ny hanohana sy hiara-dia aminโ€™i Saholy mandra-pahasitranany tanteraka.
โ€œManantena ny hiverenanโ€™ny heriny izahay, hifankahita aminโ€™ny onjam-peo sy aminโ€™ny asa iombonana indray,โ€ hoy izy ireo amim-pitiavana.
Nangonin’i Ando RAFAHATELO

Related Post

๐‘ณ๐’Š๐’†๐’–๐’•๐’†๐’๐’‚๐’๐’• ๐‘น๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘ด๐‘ฉ๐‘ฐ๐‘ต๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ฏ๐’†๐’“๐’๐’๐’๐’… | ๐“๐€๐†๐๐€๐Œ๐€๐‘๐Ž ๐‡๐Ž ๐€๐’๐๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ๐๐€๐‡๐€๐‹๐„๐Œ๐€๐๐€

Posted by - avril 19, 2025 0
๐ƒ๐ข๐ฌ๐ญ๐ซ๐ข๐ค๐š ๐Œ๐Ž๐‘๐€๐Œ๐€๐๐†๐€ ๐Š๐š๐จ๐ฆ๐ข๐ง๐ข๐ง๐š ๐€๐ฆ๐›๐š๐ง๐ข๐ฏ๐จ๐ก๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐๐„๐Œ๐๐€๐‘๐˜ ๐“๐€๐†๐๐€๐Œ๐€๐‘๐Ž ๐‡๐Ž ๐€๐’๐๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ๐๐€๐‡๐€๐‹๐„๐Œ๐€๐๐€ -๐™๐š๐ง๐๐š๐ซ๐ข๐ฆ๐š๐ซ๐ข๐š๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ซ๐ž๐ง๐ž๐ง๐š ๐๐š๐ฌ๐ข๐จ๐ง๐š๐ฅ๐ฒ ๐Œ๐Ž๐‘๐€๐Œ๐€๐๐†๐€ ๐Œ๐€๐…๐ˆ Ny ๐‘ณ๐’Š๐’†๐’–๐’•๐’†๐’๐’‚๐’๐’• ๐‘น๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘ด๐‘ฉ๐‘ฐ๐‘ต๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ฏ๐’†๐’“๐’๐’๐’๐’… izay lefitry ny…