Nofaranana tamin’ny Sorona Masina sy lanonana ara-pomba ofisialy ny Tetikasa Lamina andiany faha-4, niompana tamin’ny fanabeazana, ady amin’ny kolikoly, fikajiana ny tontolo iainana ary ny fampananana taratasy ara-dalàna ny ankizy.
Tontosa ny talata 16 Desambra 2025 ny famaranana ny tetikasa Lamina andiany faha-4 (taona 2024-2025), tao amin’ny Paroasy Md Charles Ambatomena, Diosezin’i Fianarantsoa. Natomboka tamin’ny dia be mamakivaky ny tanàna ny hetsika, ary nitohy tamin’ny Sorona Masina notarihin’i Monseigneur Fulgence Rabemahafaly, niaraka tamin’i Mompera Alfred, vikera ao amin’ny paroasy.
Tonga nanotrona ny fotoana ny solontenam-panjakana, notarihin’i Kolonely Rabearimanana Lucien, Mpanolotsaina Avo amin’ny Fanavaozana ny Repoblika.
Nomena marim-pankasitrahana ireo mpianatra nofanin’ny tetikasa. Vokatra nahafapo no azo: zaza manodidina ny 4 000 no nisitraka kopia ara-dalàna, 1 400 no nahazo tolo-kevitra momba ny zo sy fananan-tany, ary fitarainana 18 momba kolikoly no voaray.
Manaporofo hatrany ny Tetikasa Lamina fa mitondra fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny ankizy sy ny fiarahamonina ny asa fanabeazana sy fanampiana sosialy mifototra amin’ny soatoavina kristianina.
✍️Ando











