π…πˆπ…π€ππˆππ€ππ€ πˆππ“π„π‘-πŒπ„πƒπˆπ€, πˆπ‘π€π˜ π„ππ˜ 𝐀𝐍-πŠπˆπ€ππ‰π€ π€ππƒπˆπ€ππ˜ π…π€π‡π€πŸ“ | πˆπ‘π€π˜ π€πŒπˆπ’πˆπ‘π„πŽ πŒππ€ππŽπ‡π€ππ€ πŽπ…πˆπ’πˆπ€π‹π˜ 𝐍𝐘 π…π„πŽππ˜πƒπ„πŒπŽπŠπ‘π€π’πˆπ€

103 0
Notontosaina ny Sabotsy 10 Mai 2025 lasa teo ny fifaninana ara-panatanjahan-tena, izay karaikarain’ny OJM, antsoina hoe « Inter-media; iray eny ankianjaΒ Β», izay natao tetsy amin’ny Kianja Barea.
Fotoana iray lehibe fanao isan-taona, entina hanehoana ny firaisan-kinan’ny Mpanao Gazety rehetra sy ireo misehatra amin’ny asa manodidina an’ity Asa manana ny hasiny ity.
Fifaninana ho tompon-daka amin’ny taranja Basket Ball, Foot Ball, Tsipy kanety be no nentina nanamarihana izany, ka orin’asa an-gazety amam-polony no nandray anjara tamin’izany.
Niavaka kely ihany koa ity andiany faha5 ity fa ny Mpiasa eo anivon’ny Ministera Mpiahy no nandray anjara mivantana tamin’ny lalao. Izay notarihin’i Ramatoa Minisitra, Dona Mara VOLAMIRANTY.
Tiana ny manamarika, fa iray amin’ireo Mpanohana ofisialy an’ity lalao ity ny Gazetin-tsika eto anivon’ny Feon’ny Demokrasia. Isaorana be vata ireo nanao tongotra miara-milanja sy soroka niara-namindra taminay, nahitana an’i HOBY, avy ao amin’ny HBMOVIE ( Videaste) , JORO avy ao amin’ny GATE NEWS AFRICA (PHOTOGRAPHE), ADDI avy ao amin’i ITV (PHOTOGRAPHE) ary NY AIKO, FDM ( DRONISTE)
i Nyh Gabriel kosa no nampita nivantana tamin’ny alalan’ireo tambazotran-tserasera ampiasain’ny OJM.
Mpanao Gazety miray hina, mifampitanana mankany amin’ny fampandrosoana.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

π…πŒπ€π€π“πŒ πŒπ€π‡π€π‰π€ππ†π€ – 𝐓𝐬𝐲 𝐑𝐨 𝐬𝐚𝐑𝐒𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 πŸπ’π€πšπ¦π›πšπ§πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨π₯𝐚𝐯𝐨π₯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚

Posted by - juin 22, 2024 0
π…πŒπ€π€π“πŒ πŒπ€π‡π€π‰π€ππ†π€ – 𝐓𝐬𝐲 𝐑𝐨 𝐬𝐚𝐑𝐒𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 πŸπ’π€πšπ¦π›πšπ§πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨π₯𝐚𝐯𝐨π₯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 (Nisitraka fampitaovana mamaly filana…

TILY ETO MADAGASIKARA

Posted by - dΓ©cembre 28, 2024 0
Hetsika Goavambe no hatolotry ny Tily Analamanga Avaratra rahampitso 29 Desambra 2024 iarahana @ #Ampifitia. Hetsika amaranan’ny Tily Analamanga Avaratra…

π‡π€π“π€πŽ π•π€πŠπŽπŠπ€ πŒπ„ππ„ππ‘π€ππ“π€ππ˜ 𝐍𝐘 𝐆𝐀DπŽππ€ π“π’π€ππˆπŠπ„.

Posted by - mars 4, 2024 0
Noraisin’ny Prefen’i Toliara SOLONDRAZA Arson Theodolin Lydore AdorΓ© ireo delegasionina avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy Kolotsaina izay notarihan’ny Tale jeneralin’ny…