π…πˆπ…π€ππˆππ€ππ€ πˆππ“π„π‘-πŒπ„πƒπˆπ€, πˆπ‘π€π˜ π„ππ˜ 𝐀𝐍-πŠπˆπ€ππ‰π€ π€ππƒπˆπ€ππ˜ π…π€π‡π€πŸ“ | πˆπ‘π€π˜ π€πŒπˆπ’πˆπ‘π„πŽ πŒππ€ππŽπ‡π€ππ€ πŽπ…πˆπ’πˆπ€π‹π˜ 𝐍𝐘 π…π„πŽππ˜πƒπ„πŒπŽπŠπ‘π€π’πˆπ€

170 0
Notontosaina ny Sabotsy 10 Mai 2025 lasa teo ny fifaninana ara-panatanjahan-tena, izay karaikarain’ny OJM, antsoina hoe « Inter-media; iray eny ankianjaΒ Β», izay natao tetsy amin’ny Kianja Barea.
Fotoana iray lehibe fanao isan-taona, entina hanehoana ny firaisan-kinan’ny Mpanao Gazety rehetra sy ireo misehatra amin’ny asa manodidina an’ity Asa manana ny hasiny ity.
Fifaninana ho tompon-daka amin’ny taranja Basket Ball, Foot Ball, Tsipy kanety be no nentina nanamarihana izany, ka orin’asa an-gazety amam-polony no nandray anjara tamin’izany.
Niavaka kely ihany koa ity andiany faha5 ity fa ny Mpiasa eo anivon’ny Ministera Mpiahy no nandray anjara mivantana tamin’ny lalao. Izay notarihin’i Ramatoa Minisitra, Dona Mara VOLAMIRANTY.
Tiana ny manamarika, fa iray amin’ireo Mpanohana ofisialy an’ity lalao ity ny Gazetin-tsika eto anivon’ny Feon’ny Demokrasia. Isaorana be vata ireo nanao tongotra miara-milanja sy soroka niara-namindra taminay, nahitana an’i HOBY, avy ao amin’ny HBMOVIE ( Videaste) , JORO avy ao amin’ny GATE NEWS AFRICA (PHOTOGRAPHE), ADDI avy ao amin’i ITV (PHOTOGRAPHE) ary NY AIKO, FDM ( DRONISTE)
i Nyh Gabriel kosa no nampita nivantana tamin’ny alalan’ireo tambazotran-tserasera ampiasain’ny OJM.
Mpanao Gazety miray hina, mifampitanana mankany amin’ny fampandrosoana.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

PREFECTURE TOLIARA

Posted by - mars 20, 2024 0
πŸ’₯ Tonga hanamafy ny fiaraha miasa izay efa nisy nadritra ny 20 Taona ny Firenena Japone, amin’ny alalan’i ABE Koji…

π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ 𝐀𝐑𝐀-ππ€π‡π€π’π€π‹π€πŒπ€ππ€ πŒπ€ππ€π“πŽππ€ π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ Β«Β ππ‘πŽπ‰π„π“ πƒπ‘πŽππ„β€

Posted by - mars 16, 2024 0
π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ 𝐀𝐑𝐀-ππ€π‡π€π’π€π‹π€πŒπ€ππ€ πŒπ€ππ€π“πŽππ€ π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ Β«Β ππ‘πŽπ‰π„π“ πƒπ‘πŽππ„β€ π…π€πŒπ€π“π’πˆπ€ππ€ π…π€ππ€π…πŽπƒπ˜ 𝐍𝐘 π“πŽππˆπŒ-ππ€π‡π€π’π€π‹π€πŒπ€ππ€ π’π€π‘πŽ-𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 ———————————- Faritra sy District saro- dalana maro no misitraka…