Fiaraha-monina FARITRA : BOENY DISTRIKA : MAROVOAY Tonga nijery ireo traboina tany amin’ny Kaominina 03 ato anatin’ny faritra “Rive gauche” Posted on février 11, 2026 at février 11, 2026 by feonydemokrasia 91 0 FARITRA : BOENY DISTRIKA : MAROVOAY Tonga nijery ireo traboina tany amin’ny Kaominina 03 ato anatin’ny faritra “Rive gauche” 𝐀𝐧𝐤𝐚𝐛𝐨𝐤𝐚, 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐚𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐢𝐦𝐚𝐬𝐚𝐤𝐚 ny Solombavambahoaka 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐌𝐀𝐑𝐈𝐍𝐃𝐑𝐘 sy Rtoa lehiben’ny distrika sy ireo mpiaramiasa tamin’ny androny Talata faha 10 febroary 2026 lasa teo . Hoan’ny Kaominina ANKABOKA dia teto amin’ny lapan’ny tanàna no nihaonany tamin’ireo traboina ary nanomezany ireo fanampiana ara-tsakafo maro toy ny vary sy vaomaina izay avy amin’ny fitondram-panjakana ary ny ireo fanomezana maro izay avy amin’ny Solombavambahoaka manokana toy ny Macaroni sy menaka sy ronono ary siramamy sy ireo fanomezana maro samy hafa, faly sy nankasitraka moa vahoaka teto ANKABOKA izay nisolon’i Atoa ben’ny tanàna tena satria tsy nahatsiaro irery izy ireo raha azon’ny voina fa manana Ray aman-dreny manampy azy ireo, Raha hoan’ny Kaominina Manaratsandry indray dia teto amin’ny biraon’ny délégué no toerana nihaonan’i Atoa Solombavambahoaka tamin’ireo traboina maro be ka nitafany tamin’ireo traboina sy nihenoana azy ireo izay nilazan’izy ireo ny takaitra azon’izy ireo tamin’ny voina nahazo azy ireo mba hitadiavana vahaolana maika ary ihany nanolarana ireo fanampiana maro izay avy amin’ny fitondrana-panjakana sy avy amin’i Atoa Solombavambahoaka tsy adino koa teto ny nanolotra baolina sy ondry ary lelavola hoan’ireo fikambanam-behivavy izay hoentin’izy ireo manomana ny fifaninanana baolina kitra amin’ny 08 Martsa hoavy izao; Teto Maroala Kaominina ANTANIMASAKA no namaranan’i Atoa Solombavambahoaka ny famangiana ireo traboina, ity Kaominina ity izay anisan’ireo nitondra takaitra mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza FYTIA iny ka izany no nahatonga an’i Atoa Solombavambahoaka nidodo sy nitondra izay voatsirambin’ny tanana hoan’ireo traboina, fotoana koa teto nitafana manokana tamin’ireo sokajin’olona maro eto amin’ity Kaominina ity izay nihenoina ny maharary azy ireo ary namaliana ireo fanontaniana maro nanitikitika azy ireo, Tsy ireo Kaominina ireo ihany anefa no handalovana sy hahazo ireo fanampiana ireo araka nambaran’Atoa Solombavambahoaka fa ireo Kaominina izay hita fa voa mafy sy ireo izay misy traboina rehetra ato anatin’ny Distrikan’ny Marovoay ary nambarany ihany koa fa mbola maro ireo fanampiana hoavy izay avy aminy sy avy amin’ny fitondram-panjakana. FDM : AMBATOBOENY : ZANDRIKELY KONKA : HINDRANA
𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬 Posted by feonydemokrasia - août 31, 2024 0 𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…
TOAMASINA : Voasambotry ny zandary ireo olona tompon’antoka tamina fanafihana tokatrano Posted by feonydemokrasia - mars 12, 2024 0 TOAMASINA : Voasambotry ny zandary ireo olona tompon’antoka tamina fanafihana tokatrano iray tao Tsarahonenana. Ny faha 9 mars 2024…
Fiangonana Notre Dame de Lourdes: Hohatsaraina ny ao anatin’ny fiangonana Posted by feonydemokrasia - janvier 29, 2024 0 📌 Fiangonana Notre Dame de Lourdes: Hohatsaraina ny ao anatin’ny fiangonana ka hasiam-panatsaràna ny carreaux itoeran’ny seza. 📌 Izany…
FIARAHAMIASA EO AMIN’NY TRANO FIANTOHANA NY HAVANA SY NY OJM : HIHENA 50 % NY SARAN’NY FIANTOHANA MOTO SY FIARA HO AN’IREO MPANAO GAZETY . Posted by feonydemokrasia - novembre 18, 2024 0 Mahatratra 7.600 isan-taona ireo mamoy ny ainy sy mitondra takaitra vokatry ny loza-pifamoivoizana an-dalambe eto amintsika raha ny antontan’isa avy…
𝐒𝐢𝐦𝐛𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐟𝐢𝐨-𝐝𝐫𝐢𝐯𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐂𝐒𝐁𝟐 𝐚𝐨 𝐀𝐧𝐤𝐢𝐚𝐛𝐞 𝐒𝐚𝐥𝐨𝐡𝐲 Posted by feonydemokrasia - janvier 16, 2024 0 Tsy ho afaka ampiasaina ny tobim-pahasalamana ao Ankiabe Salohy distrikan’i Mandritsara. Simba vokatry ny tafio-drivotra mahery nandalo ny alin’ny…