FANOLORANA MARI-PAHAIZANA IREO VEHIVAVY VOAFONJA AO ANTANIMORA

166 0
📌Ny faha 28 martsa 2024, dia tonga teto amin’ny fonjan’Antanimora ny Talen’ny Agence Française de Développement, ny Tale jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, izay nisolo-tena an-dRamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, ary ny mpandrindra ny Fandaharan’asa FANARENANA, sy ny Talé misahana ny mahaolona sy ny fiahiana ireo voafonja, ary nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo mari-pahaizana ho an’ireo vehivavy voafonja miisa 202, izay nahavita antsakany sy andavany ny fiofanana zaitra, fandrahoana sakafo, taovolo, fanamboarana mofomamy, ….
 
➡️Iaraha-mahalala tokoa fa isan’ny tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny fanantanterahana ny andry voalohany mahakasika ny « maha-olona » na « capital humain », ny fanomezana fampiofanana ho an’ireo voafonja, ho fampianarana azy ireo, fa indrindra ho fanampiana amin’ny fitadiavana asa sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo, antoka hiantohana ny hoavin’izy ireo. Tafiditra tanteraka ao anatin’izany ny fanomezana fiofanana ireto voafonja vehivavy eto Antanimora ireto. Tafiditra tsara ao anatin’ny politikan’ny Ministeran’ny Fitsarana ihany koa izao hetsika izao, satria anisan’ny tanjona napetraka, amin’ny alalan’ny Fandraharahana ny Fonja, ny fametrahana tetik’ady ahafana manomana sahady ny famerenana ireo voafonja eny anivon’ny fiaraha-monina.
 
✅Ka nanampy betsaka tamin’ny fanatanterahana izany ireo mpiara-miombon’antoka maro, izay miasa eo anivon’ny Fonjan’Antanimora.
 
⭕ Ny Ministeran’ny Fitsarana, amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa FANARENANA dia nametraka tanjona kendrena toy izao manaraka izao :
– Fanatsarana ny toem-piainan’ireo voafonja ;
– Fanatsarana ny farim-piainana sy ny fanomanana ny fiverenan’ireo voafonja eny anivon’ny fiaramonina.
– Fanatevenana traikefa sy ny fitantanana momba ny fandraharahana ny fonja sy ny fitantanana eo anivon’ireo toeram-pamonjana ;
– Miahy sy mandrindra ary manara-maso ny fanatanterahana ireo lamin’asa napetraka.
⭕Arak’izany ny Programan’asa FANARENANA dia nametraka ny vina ho fanatsarana ny sehatr’asan’ireo mpandraharahan’ny fonja ary koa ny fiaimpiainan’ireo voafonja sy ny fanomanana ny fiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.
 
 

Related Post

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…

𝐍𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒚 𝑹𝒂𝒋𝒐𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑺𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒂𝒗𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂

Posted by - juillet 13, 2024 0
𝐍𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒚 𝑹𝒂𝒋𝒐𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑺𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒂𝒗𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂 – 𝗡𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗹𝗼 𝗵𝗼 𝘁𝗲𝗻𝗱𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗣𝗿𝗮𝗶𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 « Hiaro anareo amin`ny…