FANOLORANA IREO FOTO-DRAFITR’ASA MANARAKA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA TETO BETSIZARAINA

139 0

FANOLORANA IREO FOTO-DRAFITR’ASA MANARAKA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA TETO BETSIZARAINA, COMMUNE AMBOHIMANGAKELY.

 

Ministry ny fampiroboroboana sy fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny fifandraisan-davitra, Tahina RAZAFINDRAMALO dia nanolotra ireo fitaovana sy fotodrafitr’asa manaraka ny teknolojia vaovao ho an’ireo mponina ao an-toerana.
 
️ Notokanana araka izany teto amin’ny Biraon’ny Fokontany sy ny Akany tao Betsizaraina ny “WIFI GRATUIT”, izay ahafahanan’ny mponina misitraka internet maimaimpoana. Tao ihany koa no nizarana tamin’ny fomba ofisialy ireo finday sy solosaina mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny biraon’ny Fokontany tao Betsizaraina.
 
Tonga nanotrona izany Andriamatoa Ben’ny Tanàna RADAFY Thierry sy ny mpiara-miasa aminy ary hisaorana manokana Andriamatoa Minisitra (MNDPT) sy ireo mpiara-miasa aminy nanolotra izany fanomezana izany.
 
Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

VOHITRA VOHITRAMBO, COMMUNE MIARINAVARATRA, DISTRIKAN FANDRIANA

Posted by - juillet 10, 2024 0
𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀𝐌𝐁𝐎, 𝐂𝐎𝐌𝐌𝐔𝐍𝐄 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀, 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 — Velon-taraina ny Mponina nohon’ny fahasimban’ny « Pilône eto Vohitrambo » izay mamatsy fifandraisana…