FANOLORANA IREO FOTO-DRAFITR’ASA MANARAKA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA TETO BETSIZARAINA

163 0

FANOLORANA IREO FOTO-DRAFITR’ASA MANARAKA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA TETO BETSIZARAINA, COMMUNE AMBOHIMANGAKELY.

 

Ministry ny fampiroboroboana sy fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny fifandraisan-davitra, Tahina RAZAFINDRAMALO dia nanolotra ireo fitaovana sy fotodrafitr’asa manaraka ny teknolojia vaovao ho an’ireo mponina ao an-toerana.
 
️ Notokanana araka izany teto amin’ny Biraon’ny Fokontany sy ny Akany tao Betsizaraina ny “WIFI GRATUIT”, izay ahafahanan’ny mponina misitraka internet maimaimpoana. Tao ihany koa no nizarana tamin’ny fomba ofisialy ireo finday sy solosaina mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny biraon’ny Fokontany tao Betsizaraina.
 
Tonga nanotrona izany Andriamatoa Ben’ny Tanàna RADAFY Thierry sy ny mpiara-miasa aminy ary hisaorana manokana Andriamatoa Minisitra (MNDPT) sy ireo mpiara-miasa aminy nanolotra izany fanomezana izany.
 
Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼

Posted by - juillet 20, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼 (𝖭𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗓𝖺𝗒 𝗁𝗈 𝖿𝗂𝗅𝗈𝗁𝖺 𝗂𝗓𝗒 𝗂𝗋𝖾𝗈, 𝗏𝗈𝖺𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂 𝖠𝗅𝗒)…