Fanolana zaza tsy ampy taona tao Vohimary Masitafika

328 0
« Ho maro ny olo vositra amity agny »
Ny 28 Febroary 2024 vao nilaza tamin’ny Bde Vondrozo ny sefo fokontany fa nisy nanolana zaza tsy ampy taona tao Vohimary Masitafika kaominina sy distrikan’i Vondrozo tamin’ny 20 Febroary 2024 maraina.
 
Zazavavy 07 taona ao Vohimary Masitafika io nisy nanolana io tao antranony fa lasa tany antsaha ny reniny. Niditra ankeriny tao ity mpanolana ity. Nobedainy ilay zaza ary nanamparany ny filan-dratsiny dia nandositra izy avy teo. Nitomany ilay zaza nitantara ny nanjo azy tamin’ny reniny.
Nifanaraka ny Ray aman-dreny fa hatao raharaham-pihavanana ny raharaha fa tsy voaloa ilay onitra ka nahatonga ny reniny hitory.
 
Nentina tamin’ny mpitsabo tao  amin’ny CHRD Vondrozo ilay zaza. Voaporofo tamin’ny fitsirihana fa nisy nanolana tokoa. Nosamborina ilay nahavanondoza. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
 
Ho vositra lezalahy ity niany.

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…