Fanolana zaza tsy ampy taona tao Vohimary Masitafika

436 0
« Ho maro ny olo vositra amity agny »
Ny 28 Febroary 2024 vao nilaza tamin’ny Bde Vondrozo ny sefo fokontany fa nisy nanolana zaza tsy ampy taona tao Vohimary Masitafika kaominina sy distrikan’i Vondrozo tamin’ny 20 Febroary 2024 maraina.
 
Zazavavy 07 taona ao Vohimary Masitafika io nisy nanolana io tao antranony fa lasa tany antsaha ny reniny. Niditra ankeriny tao ity mpanolana ity. Nobedainy ilay zaza ary nanamparany ny filan-dratsiny dia nandositra izy avy teo. Nitomany ilay zaza nitantara ny nanjo azy tamin’ny reniny.
Nifanaraka ny Ray aman-dreny fa hatao raharaham-pihavanana ny raharaha fa tsy voaloa ilay onitra ka nahatonga ny reniny hitory.
 
Nentina tamin’ny mpitsabo tao  amin’ny CHRD Vondrozo ilay zaza. Voaporofo tamin’ny fitsirihana fa nisy nanolana tokoa. Nosamborina ilay nahavanondoza. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
 
Ho vositra lezalahy ity niany.

Related Post

𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀

Posted by - octobre 31, 2024 0
𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 (𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂-𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝑪𝑺𝑨𝑶 𝑩𝒆𝒓𝒐𝒓𝒐𝒉𝒂 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒂𝒗𝒚 𝒆𝒐) ✦Nahoraka tato…