Fandaharan’asa RINDRA

253 0
🔴 Nanao ezaka hatrany ny Vondrona eoropeanina (UE), amin’ny alalan’ny Tahiry Eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (EDF), amin’ny fanamafisana ny sehatry ny fambolena malagasy. Ny fandaharan’asa RINDRA dia maneho ohatra iray lehibe amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra sy ny fanjarian-tsakafo.
🔴 Nahafahana nitondra fiovana mivaingana amin’ny fotodrafitrasa momba ny fambolena sy ny tontolo iainana, sady nanamafy ny fahaiza-manaon’ny andrim-panjakana misahana ny fampandrosoana ambanivohitra ity fandaharanasa ity.
🔴 Ny fiantraikan’ny fandaharan’asa RINDRA:
👉 Fananganana Tahirim-bolam-paritry ny Fampandrosoana ny Fambolena (FDAR).Talohan’ny nidiran’ny fandaharan’asa RINDRA dia FDAR 15 ihany no niasa. Noho ny fanohanan’ny Vondrona Eoropeana,22 ny FDAR miasa ankehitriny.
👉 Fanomezana fitaovana ahitana fiara sy motocross izay hanamora ny fivezivezena eny an-kianja, ary koa ny solosaina hanavaozana ny asa ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny andrim-panjakana hafa.
👉 Fanarenana ireo fotodrafitrasa tena ilaina; nanarina fotodrafitrasa iankinan’ny aina ho an’ny sehatry ny fambolena sy ny tontolo iainana ary ny jono ny RINDRA. Anisan’ny zava-bita lehibe indrindra ny fanarenana ny trano MEDD, MINAE, DPV, ary koa ny fananganana ny Tranoben’ny Diplomasia Maitso etsy Antsahavola.
👉Ankoatra ny fotodrafitrasa, ny fandaharan’asan’ny RINDRA dia nahafahana nanamafy ny fahaiza-mitantana ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola natokana ho an’ny Sampan-draharaham-panjakana mitantana ny Tahirim-pirenena (SNGF) sy ireo andrim-panjakana hafa.
🔴 Mitondra fiovana tsara ho an’ny Malagasy hatrany ny fandaharan’asan’ny RINDRA indrindra amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, ny fanavaozana ny fotodrafitrasa ary ny fanamafisana ny fitantanana ny tontolo iainana.
🔴 Noho ireo rehetra ireo vonona kokoa hiatrika olana ara-toekarena sy ara-tontolo iainana i reo mponina marefo, ka miantoka ny fampandrosoana
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (𝑵𝒂𝒏𝒐𝒎𝒆 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒕𝒐𝒃𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒓𝒊𝒑𝒂𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…