Fanamarihana ny fahatsiarovana ny 29 Martsa 1947 teto amin’ny Distrikan’Andilamena.

158 0
Ho fahamarihana ny fahatsiarovana ny faha 78 taona ny tolo- panafahana tao amin’ny Distrikan’Andilamena dia nisy ny fotoam-pivavahana iraisam- pinonana niarahana tamin’ny Fiangonana ao anatin’ny FFKM Andilamena tamin’ny 7 Ora maraina
Tao aorian’izay dia nitanjozotra teny amin’ny Kianjan’ny mahery fo misy ny Tsangambaton’ny Mahery fo lavo tamin’ny 1947 ny vahoaka sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo nasaina ka nisy ny fametrahana fehezam- boninkazo nataon’ny Lehiben’ny Distrik »Andilamena sy ireo Fikambanam-baiavy sy ny Ben’ny tanàna ary ireo zokiolona.
Taorian’izay no nisy fandraisam- pitenenana ka navoitra tamin’izany fa tompon’ny tantara ny Distrikan’Andilamena fa tsy notantaraina fotsiny satria nisy ireo nosamborina sy notifirina tao anatin’ny wagon tany Moramanga tamin’ny 5 Mey sy 8 Mey 1947 taorian’ny hetsika 29 Martsa1947 ka isan’ny lavo tamin’izany RADANY, RAKOTOMALALA, RAZAFIMANDIMBY Arthur, RASOANARIVO, sy ny maro hafa avy taty Andilamena.
Nampahatsiahivina moa izany mba hamelona indray ny afon’ny fitiavan- Tanindrazana ho an’ny taranaka ankehitriny izay » Fanilo miampita ho an’izy ireo  » araka ny lohahevitra. Tsy nisy nipika fa nilamina tsara ny fahatsiarovana.
✍️𝑵𝒂𝒏𝒈𝒐𝒏𝒐𝒏’𝒊 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…

PREFECTURE TOLIARA

Posted by - mars 20, 2024 0
💥 Tonga hanamafy ny fiaraha miasa izay efa nisy nadritra ny 20 Taona ny Firenena Japone, amin’ny alalan’i ABE Koji…