Zoma, 15 desambra 2023, natao teto amin’ny tokotanin’ny Ministera ny famaràna amin’ny fomba ofisialy ny taom-piasan’ny Fitsarana. Maro ny zava-bita tamin’ity taona ity hoy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana nanoloana ireo mpiasa.
Famaranana ny Taom-piasana 2023, nisaotra an’ireo Mpiara-miasa ny Minisitry ny Fitsarana
Nisaorany araka izany ny rehetra tamin’ny fiaraha-miasa, misy ihany kosa anefa ny lesoka mila harenina hoy izy ka hatsaraina izany amin’ny taona 2024. Fanamby napetraka hoan’ny taom-pitsarana 2024 ny fanasongadinana ny sampam-pitsarana rehetra sy ny fonja.
Amin’izao ankatoky ny fety izao moa dia nisy ny fizarana « panier garni » avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Sosialin’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Fitsarana Foibe na SMM2F.