FAMARANANA LALAO BAOLINA KITRA KOPY AOMBY TAO VOHITRAMBO

707 0
📌 Tontosantsika ny faha 27 Décembre 2023 lasa teo ny lalao famaranana ho an’ny Kopy aomby vositry matavy be ho an’ ny 8 kaominina avara- drano distrikan’ i Vangaindrano ka ny kaominina Tsiantely no nibata ny Omby matavy raha nandresy ny Kaominin’ i Fonilaza tamin’ny isa 1 noho 0 i Tsiately, fa teo amin’ny laharana faha 3 kosa no nisy ny kaominina Vohitrambo mpampiatrano.
 
📌 Samy notolorantsika baolina sy fanamiana mitovy avy ireo ekipa 8 nandray anjara dia i Tsiantely, Soamagnova, Fonilaza, Vohitrambo, Agnilobe, Ihara, Bemaha ary Lopary, koa raha omby ny azon’ ny mpandresy tamin’ izany dia lelavola mitentina 400.000Ar ar kosa no azon ‘ ny laharana faha- 2, ary nahazo vola solona ranomboakazo kosa ny faha 3.
 
📌 Amin’ ity volana janoary 2024 ity kosa ary dia hitodika any amin’ ny kaominina 8 any Manambondro indray ny hetsika ho fanomezantsika sehatra ny tanora ka mbola omby vositry matavy be ihany koa ny hiadiana amin’ izany, izay miditra amin’ ny  » zone  » faha 3 isika amin’ izany, ary ny ao Vangaindrano  » zone  » faha 4 kosa dia ireo kaominana 4 tafakatra amin’ ireo zone efatra ireo no hiady ny Amboaran’ i Menagnara hatao ao Vangaindrano.
 
📌 Ny Goverinoran’ ny Faritra Atsimo Atsinanana Docteur MAHAFAKY Justin moa dia tsy sasatra ny mikatsaka izay hahasoa antsika tanora aty amin’ ny Faritra Atsimo Atsinanana sy hanome fialam- boly ihany koa amin’ ny alalan’ ny fanatanjahantena, hialantsika amin’ ny fisotroana zava- pisotro mahamamo sy ny fidorohana zava- maha- domelina, ka hananantsika tanora mendrika ho an’ ny Faritra Atsimo Atsinanana.
 

Related Post