« ENY » HOY I HAINGO TAMIN’I ROJO

540 0

Ny alahady 17 Desambra 2023 lasa teo, tao amin’ny Espace L’ECRIN DE MAEVA, AMBOHIMANGA, Distrika Avadrano no notanterahina ny fanamasinam-panambadian’i ROJO sy HAINGO, ary nifanindry andalana tamin’izany ihany ko any Soram-panambadian’izy roa kely.

Rehefa vita ny fanoratana aram-panjakana ny fanambadiana, dia niroso tamin’ny fanatanterahana ny Mariazy ny tokan-tranao vao, izay notron’ireo havana, namana, ary mpiara-miasa rehetra.

Tamin’izany no nanaovan’izy ireo ny fifanekana fa hifankatia, sy hifanohana hatrany izy mivady na amin’ny mora na amin’ny sarotra ka ho lambana ankoho ny fiaarahan’izy ireo, dia ny aina no fetra.

Rehefa izany, dia tao amin’ny efitrano filanonana, izao ao amin’ny L’ECRIN DE MAEVA ihany no niarahana nikorana ny havana aman-tsakaiza rehefa, izay samy naneho ny hafaliany nandritra ity fety natokana hoan’ny Mpanambady ity.

Taorin’izay, dia niroso tamin’ny fitsofan-drano sy fakana sary ho fahatsiarovana ny rehetra, teto dia ny masoandro mody tokoa no mampalahelo.

Izahay eto amin’ny Gazety an’habaka Feonydemokrasia.mg dia mirary tokan-trano feno fahasambarana ary ho arahin-jazalahy sy zazavavy.

Nangonin’i Dina ANDRIAMITANTSOA

Related Post

𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
« 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 » 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…