Emmonat | Omena Mpiambina manokana ireo Kandida

100 0
Misy mifofo ny ain’ny sasantsasany amin’ireo kandidà ka nandray fepetra ny fibaikoana ny mpitandro filaminana hanome mpiambina manokana ho azy ireo. Natao hiambina an’ireo kandidà 13 isa, ny fianakaviany ary ny tranony moa ireo Mpiambina manokana ireto.
Misy tompon’andraikitra hiresaka amin’izy ireo hahafahany misafdy izay mpiambina hiaraka aminy.
Fantatra ihany koa fa mila mangataka fahazoan- dalana eny amin’ny Prefet ny fanaovana fihetsiketsehana ka arovan’ny mpitandro filaminana ny hetsika amin’izay toerana tendren’ny Prefet.
Na ny mpanao fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, na ireo mpanao fampielezan- kevitra dia samy tsy avelanay miditra eo amin’ny kianjan’ny 13 mai hoy hatrany ny fanazavana nomen’ireto tandroka aron’ny vozona ireto.
Manoloana ireo Mpitandro filaminana mibirioka kosa dia nambara fa efa an- dalana manitsy azy ireny izahay sy mandray ny fepetra manodidina izay hoy hatrany izy ireo.
Andrasana ny tohin’ny tantara …
© Maingoka Mahery

Related Post

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 |𝐓𝐚𝐟𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧-𝐤𝐨𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧’𝐢 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…

𝐅𝐈𝐋𝐀𝐍𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐎𝐓𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘

Posted by - février 14, 2025 0
Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana ho an’ny filankevitra kaominaly eto amin’ny kaominina ambonivohitra Morondava izay tanterahana ao amin’ny biraon’ny filankevitra …