DRSP ANÔSY | Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso

189 0
« Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso » izany no lohahevitra entina hankalazana ny andron’ny 8 Marsa. Raha ny eto Tolagnaro manokana dia nosokafana tamin’ny alalan’ny fotoam-bavaka androany Alahady 3 Marsa izany ary ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Rota 3:11 no notoriana nandritra ny fotoam-pivavahana. Tonga nanatrika izany ireo vehivavy mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Anôsy. Manana anjara amin’ny fankalazana ny 8 Marsa tokoa ny mpiasan’ny fahasalamana ary amin’ny alalan’ny fanaovana « soins de proximité » maimaim-poana ho an’ny vehivavy bevohoka sy ny zaza latsaky ny 5 taona no andraikitra sahaniny mandritra ny 3 andro.
 
➡️Soa ho hay sika aseky riaha an, fa ho avy amintsika agny gny mpiasany fahasalamà hitsabo gnampela bevoky vô gny zaza latsaky ny 5 tao maimaim-poa no sady hapanô fisa gnampela mba hampirindra gny fiaignam-pianakavia. Dra izao aseky gny programa :
 
✅Gny Talata 5 Marsa anjaratsika ao Amparihy gny handray izay fitsaboa maimaim-poa zay dra amy terrain basket eo gny fotoa.
 
✅Gny Alarobia 6 Mars dra Abezavo egny gny mpiasany fahasalamà mitsabo maimaimpoa gnampela bevoky vô gny zaza latsaky gny 5 tao no sady mampanô fisa avao koa.
 
✅Gny Alakamisy 7 Mars dra Ambinany be lohalovoky gny mpiasany fahasalamà hitsabo gnampela bevoky vô gny zaza latsaky gny 5 tao. Dra mbo mampanô fisa avao koa.
 
Manantena gny fihaviasikan’aby aseky riaha!

Related Post

“𝐓𝐬𝐲 𝐫𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲!” — 𝐓𝐨𝐯𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐥𝐚𝐬𝐢𝐛𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐬𝐞𝐭𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚

Posted by - octobre 5, 2025 0
𝗙𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 : 𝗧𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼𝗲 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗺𝗶𝗵𝗶𝘁𝘀𝘆 𝘃𝗲́ 𝗿𝘆 𝗠𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝘀𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗵𝗮𝘀𝗲𝗵𝗼𝗻𝗮𝘆 ?? Tovovavy mpianatra iray eny amin’ny…