DISTRIKAN’NY SOANIERANA IVONGO | MANOMBOKA NY FANATSARANA LALANA ANTSIRARAFANA IZAY ATAON’NY FARITRA ANALANJIROFO SY NY FOKONOLONA

199 0
Efa ela ireo vahoaka ao amin’ny Fokontany Antsirarafana Kaominina Soanierana Ivongo nangataka ny hatongavany milina avy aminy Faritra mba hanatsarana ny lalana . Anisany Fokontany manana vokatra maro ny ao Antsirarafana fa ny faratsiandalana hamoahana vokatra no tena olana, andalam-pahavitana ny tohandrano manondrana tanimbary izay fotodrafotrasa avy taminy fitondrampajakana hanatsarana sy hampitomboana ny vokabary miakatra antokatrano hoan’ny tantsaha mpamokatra .
Tonga ao Antsirarafana ny poclain avy tamin’ny Faritra Analanjirofo izay efa miasa aminireo toerana izay ratsy , ary misy ny mpanagobokatra tsara sitrapo nanome vola 1.000.000 Ar hanampiana azy ireo aminy solika hampiasaina amin’ny fanamboarandalana ary hiezaka ireo fokonolona hanao tsipaipaika vokatriny fitiavanizy ireo fandrosoana .
Tanjona ny fokonolona ao Antsirarafana dia ny mba hitohizany lalana hatrany amin’y Kaominina Ambinanisakana izay ankaiky azy.
📝 Brudo Raseta

Related Post

𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐀𝐍𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎 𝐉𝐄𝐀𝐍 𝐑𝐄𝐍𝐄 𝐇𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐌𝐁𝐀𝐕𝐀𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐒𝐎𝐉𝐀𝐁𝐄

Posted by - mars 5, 2024 0
Nifamotoana tao an-tranompokonolona Mandritsara ireo Sojabe maherin`ny 500 avy amin`ny kominina 29 mandrafitra distrikan`i Mandritsara. Nifampiarahaba tratry ny taona 2024,…