DISTRIKAN’NY MIANDRIVAZO LOHALAHARANA AMIN’NY FANDRIAM_PAHALEMANA ATO MENABE

241 0

✅ Isany veliranon’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina ny fametrahana ny fandriam_pahalemana maharitra eto Madagasikara ka ho an’ny distrikan’ny Miandrivazo dia tratra ny tanjona ka efa misitraka izany ny vahoaka tsy vao izao fa efa nanomboka ny taona 2021 izany nohon’ny ezak’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo izay notarihiny ramatoa Richard Ratovonjanahary Tsimahalefy Alexandrine sy ny kaomandin’ny vondrontobim_paritra ny zandarmiaria Miandrivazo ka nisy ny fitetezana ireo kaominina 16 mandrafitra ny distrikan’ny Miandrivazo eny fa na ireo saro_dalana aza izany no natao dia fametrahana ny andromasom_pokonolona isaky ny kaominina sy ny Dina fototra ary ny lamina iraisana amin’ny ara_dia raha sanatria misy halatr’omby izay fototra nazoana izao vokatra tsara izao, eo koa ny fampivondronana ireo mpiray Dina amin’ireo kaominina mifanolo_bodirindrina izay atao isaky ny 5 volana ka notanterahina omaly 16 Martsa ny fampivondronana ho an’ireo kaominina ao anatin’ny tapany Atsimo ny distrikan’ny Miandrivazo izay sady nandraisan’izy ireo voalohany ihany koa ny kaomandin’ny vondrontobim_pileovana zandarimaria MENABE Colonel Faneva ka isany nambarany tamin’izany ny hoe sarotra ny fitazomana fandriam_pahalemana anatin’ ny taona maro ka nidera sy nisaotra ny ramatoa Solombavambahoaka sy ireo mpitandron’ny filaminana izy ary nentaniny ihany koa ny tokony hanan’ny tsirairay kopia sorampian_kohonana sy karam-panondrom_pirenena ho an’izay feno taona.


✅ Nandritr’izany ihany koa dia notolorann’ny ramatoa Solombavambahoaka ankanjo famantarana mampiavaka azy isam-pokotany ireo kaolaony, ohatra velona moa ny fahitan’ny vahoaka an’ny ramatoa Solombavambahoaka mihidina ifotony ka resy lahatra ny rehetra satria mian_dahy miam_bavy ny rehetra tamin’ny fametrahana izao fandriam_pahalemana izao ary samy vonona sy resy lahatra fa mila tazomina izao fandriam_pahalemana izao.
✅ Hitohy amin’ ireo kaominina any amin’ny tapany avaratry Miandrivazo moa izao hetsika fitazomana ny fandriam_pahalemana maharitra ato Miandrivazo izao.

Nangonin’ny Ra Pa Menabe

Related Post

𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐒𝐘 𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐄𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 29, 2024 0
𝗢𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗲𝗻𝗶𝗻𝗮(06) 𝗻𝗼 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝗶𝗺𝗮𝗿𝗶𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮, 𝘃𝗼𝗮𝗿𝗼𝗵𝗶𝗿𝗼𝗵𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗳𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗮𝗺-𝗯𝗮𝘀𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 𝗧𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮𝗹𝗼𝗸𝗲 𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝗲𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆.   𝗧𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆…