Antanifotsy, 24 Febroary 2026 โ Nifantoka taminโny fanamafisana ny fampandrosoana eny ifotony ny dinika notarihin-dRamatoa Ravaonirina Nathalie Sebastienne, Lehibenโny Faritra Vakinankaratra, niaraka taminโireo Benโny tanร na 14 ao aminโny Distrika Antanifotsy, ny talata 24 febroary 2026.
Dinika niompana taminโny zava-misy marina eny anivonโny kaominina tsirairay no natao, ka nentinโireo Benโny tanร na ny hetahetam-pampandrosoana sy ireo fitarainana maharary ny vahoaka. Noraisina an-tsoratra avokoa ireo soso-kevitra sy vina naroso, ary hifanaraka aminโny politikam-paritra mba hamolavolana drafitra fiasana mazava sy iombonana ho anโny distrika.
Lalana, sakana lehibe aminโny fandrosoana
Saika nitovy ny feonโireo Benโny tanร na mikasika ny faharatsian-dalana, izay heverina ho olana iombonana manakana ny fivezivezenโny olona sy ny entana, ary mampihisatra ny toekarena eny ambanivohitra.
Manoloana izany, nanamafy ny Lehibenโny Faritra fa ilaina ny fandrindrana hentitra aminโny fampiasana ireo fitaovana vaventy fanamboaran-dalana. Nambarany fa tokony hisy lamina mazava ahafahanโireo milina mijanona sy miasa ao aminโny Distrika mandra-pahavitanโny asa, mba hisorohana ny fanelingelenana sy ny fahatarana tsy ilaina.
Fiaraha-mientanโny sampandraharaha
Nanatrika ity fihaonana ity ihany koa ny Inspecteur anivonโny Faritra, ny Colonel Rafidison, ny Tale miandraikitra ny Fampandrosoana ara-toekarena (DDE) Atoa Lanto Randrianatoandro, ary ireo lehibenโny sampandraharaha dimy mianadahy.
Ny fisianโizy ireo dia maneho fa ezaka iombonana sy mirindra eo aminโny rafi-panjakana no takiana mba hahatanteraka ireo vinam-pampandrosoana napetraka.
Araka ny fanehoan-kevitra, velom-bolo ireo Benโny tanร na satria afaka nampita mivantana ny hetahetanโny mponina aminโny tomponโandraikitra voalohany eo anivonโny Faritra.
Mazava ny hafatra nivoaka taminโity fihaonana ity : tsy maintsy miorina aminโny fifampiresahana, fandrindrana ary fanatanterahana hentitra ny asa ny fampandrosoana maharitra. Ho anโAntanifotsy sy Vakinankaratra, ny lalana arahina ankehitriny dia ny lalanโny fiaraha-mientana sy ny fahavononana hitondra fanovana azo tsapain-tanana ho anโny vahoaka.




