Tontosa tao amin’ny Vezo beach omaly sy androany ny fampafantarana ny vokatry ny fanadihadiana izay nataon’izy ireo teny ifotony tao amin’ireo fokotany enina hiasan’ny croix rouge Malagasy ato amin’ny distrikan’i Morondava ary navadika asa avy hatrany izany entina hisorohana sy hiatrehana ireo loza voanjanahary toa ny rivo-doza sy ny tondra-drano ary ny valan’aretina ka ny croix rouge Malagasy sy ny vondron’olona ifotony ampian’ny BNGRC no hanatanteraka ny asa ka misy ny tonga dia atao avy hatrany toan’ny fanalana ireo rano miandrina sy ny fanadiovana ireo loto sy lobolobo satria efa misy ny fitaovana tonga eo anivon’ny croix rouge .
Nangonon’i RA PA